• Cours de change
  • 5131.15 AR
  • |
  • $4440.49 AR
Copyright Image : © Moov
Image
Madagasikara

Antsiranana II : Faritra arovana Oronjia, harena voajanahary tsy manam-paharoa eto Madagasikara

19/08/2025 16:45 © Moov

Any amin’ny 22 km miala an’i Antsiranana no misy ny Faritra Arovana Oronjia. Ao anatin’ny Distrikan’Antsiranana II. Io toerana io, izay mbola vitsy no mahafantatra azy, dia mitahiry zavaboahary sy kolontsaina tsy fahita firy. Ankehitriny anefa, tandindonin-doza izy noho ny fanimbana ataon’ny olona sy ny fiovan’ny toetr’andro ka mitaky fiaraha-mientana ho amin’ny fiarovana azy.

Toerana tsy manam-paharoa

Tokana eto Madagasikara ny faritra arovana Oronjia noho ireo zavamananaina hananany. Maro amin’izany no tsy hita raha tsy eto Madagasikara sy ao an-toerana irery ihany. Mivelatra amin’ny toerana mirefy 1 678 hektara be izao ity toerana ity. Ny tanan’i Ramena no mamaritra azy avy ao avaratra – andrefana raha i Ankorikihely kosa ny avy ao atsimo – andrefana.

Rehefa miditra ao anatin’ny ala dia lalan-tany efa voavoatra, natao hahatongavan’ny fiara no handehanana. Ireo ala maina kosa no mamefy ny sisin’izany lalana izany. Ireo rahateo no tena hahafantarana io toerana io na dia ahitana bozaka sy hazo maitso ihany aza. Maro amin’ireo zavamaniry ao anatin’ny ala no fanaovana fanafody sy fitsaboana samihafa. Ahitana karazana zavamaniry hatramin’ny 290 ao ary ny 70 amin’ireo dia tsy hita raha tsy eto Madagasikara, irery ihany.
Etsy ankilany dia ahitana vatolampy sy farihy masina, ho an’ireo mponin’Antsiranana ihany koa ao an-toerana, anisan’izany ny farihy Ankorikihely.
Tsy latsa-danja amin’izany ny biby mampinono maro sy vorona mihoatra ny 70 karazany, ka ao anatin’izany ny lemur couronné (Eulemur coronatus) sy ny caméléon panther (Furcifer pardalis) izay tena sarobidy satria isan’ny mampiavaka an’i Madagasikara na dia ahitana azy ihany koa aza ao La Réunion. Araka ny tatitra nataon’ireo fikambanana mpiaro ny tontolo iainana ao an-toerana dia mihoatra ny 200 koa ireo karazam-biby kely (bibikely sy sokatra) hita ao anatin’io faritra io.


Copyright Image : © Moov

Doro tanety sy fanapahana hazo

Na dia eo aza izany harena be tsy hita pesipesenina izany, mitohy ny ambana amin’ity faritra arovana ity. Tombanana ho 40 hektara isan-taona no lasibatry ny doro-tanety sy ny fambolena tsy ara-dalàna, raha ny fanazavana. Mbola olana ihany koa ny fanapahana hazo, indrindra ireo hazo sarobidy toa ny katrafay sy ny mandrorofo. Mbola manampy trotraka izany ihany koa ny fanapahana ireo « vontaka », izay matetika ampiasaina hanaingoana ireo toerana fandraisam-bahiny samihafa.
Efa nihena manodidina ny 30% ny velaran’ala tao anatin’ny folo taona farany, raha ny antontan’isa nivoaja farany. Raha tsy misy ny fandraisana fepetra hentitra, dia mety ho simba tsy ho ela io harena voajanahary izay sarotra hita any amin’ny tany hafa io.


Copyright Image : © Moov

Fandraisana andraikitra iombonana

Misy ezaka efa atao amin’izao fotoana izao mba hiarovana ny Oronjia. Tafiditra amin’izany ny fiaraha-miasan’ny vondrom-piarahamonina, izay mandray anjara amin’ny fanaraha-maso sy ny fitantanana. Misy ihany koa ny fanohanana avy amin’ny fikambanana (ONG) maro sy ireo tetikasa fampandrosoana. Kendren’izy ireo amin’izany ny hampiroborobo ny fizahantany maharitra sy ny fanabeazana ny tanora momba ny lanjan’ny fiarovana ny tontolo iainana. Ny fidiram-bola azo avy amin’ny fitsidihan’ny mpizaha tany dia heverina fa afaka hanampy ny fianakaviana eo an-toerana, raha toa ka atao am-pitandremana. Izany dia mba hampihenana ny fiankinan-doha amin’ny ala ka mety hanimba azy.
Azo atao tsara ny mitsidika io faritra arovana lehibe io. Mety handreraka noho ny halehibeny saingy azo atao ihany koa ny mitondra fiara tsy mataho-dalana.


Copyright Image : © Moov

Lire la suite

Articles Similaires