• Cours de change
  • 4675.61 AR
  • |
  • $4353.37 AR
Copyright Image : © Projectecolo
Image
Madagasikara

Angovo azo havaozina : vahaolana mahomby hiatrehana ny délestage

09/05/2023 09:09 © Moov.Mg

Efa ho lava ny fahatapahan-jiro na ny « délestage » eto Madagasikara. Raha tsy olana ara-tsolika dia olana ara-teknika no mahatonga izany fanapahan-jiro izany raha ny voalazan’ny JIRAMA. Izany indrindra no mahatonga ny olona hikaroka vahaolana hiatrehana ny délestage. Ny fampiasana angovo maharitra moa no isan’ny vahaolana mahomby indrindra. Nde ange ho resahina e !

Inona tokoa moa zany angovo azo havaozina ?

Lazaina fa angovo azo havaozina na angovo maharitra ny angovo raha voajanahary ny loharano nipoirany, ary izy ihany no manavao azy tsy ho tapaka. Maro karazana moa ny loharanon’angovo azo havaozina. Ny malaza indrindra amin’izy ireny dia ny masoandro, ny rivotra ary ny rano. Sokajian’ny manampahaizana amin’ny famokarana herinaratra ho angovo maitso moa ireny karazana angovo maharitra ireny noho izy ireo tsy miteraka loto betsaka ary tsy mandoto rivotra. Efa maro ireo firenen-dehibe mampiasa azy ireny. Raha ny eto Madagasikara dia efa mitombo tsikelikely ireo orinasa mandroso izany foto-kevitra izany mba hiatrehana ny délestage.

Afaka mampiasa angovo azo havaozina avokoa ve ny rehetra hiatrehana ny délestage ?

Afaka mampiasa herinaratra avy amin’ny angovo azo havaozina avokoa na ny tokantrano na ny toeram-piasana. Fomba iray lehibe afaka hiatrehana amin’ny délestage lava reny hiainantsika mandava-taona izy ireny. Raha ho an’ny olon-tsotra sy ny orinasa madinika eto Madagasikara aloha hatreto dia ny angovo madio avy amin’ny masoandro na avy amin’ny rivotra ihany no mora hamokarana herinaratra. Tsara nefa ny manamarika fa mbola lafo ny saran’ny fametrahana azy ireny satria misy fitaovana maromaro mila vidiana ary mety mila miantso teknisianina ny fananganana azy. Miankina amin’ny herinaratra ilaina ihany kosa anefa ny fidin’ireo fitaovana.

Inona ny tombontsoa azo avy amin’ny fampiasana angovo azo havaozina ?

Ny tombontsoa voalohany azo avy amin’ny fampiasana angovo azo havaozina dia ny fahazoana herinatra mandeha tsara sy tsy tapatapaka. Tsy mitaitaina amin’ny fahatapahan-jiro nohon’ny délestage intsony, indrindra ireo olona mivelona amin’ny asa mampiasa herinaratra. Tombony iray lehibe ihany koa ny fitsitsiana ara-bola raha mampiasa angovo azo havaozina amin’ny fotoana maharitra. Marina fa lafo ny fametrahana ireo fitaovana famokarana herinaraka madio. Tsara marihana kosa anefa fa tsy misy intsony ny vola aloha isam-bolana satria ny angovo madio dia tsy vidim-bola. Tombontsoa farany azo amin’ity karazana angovo ity dia lasa mandray anjara amin’ny fiarovana tontolo iaianana ireo mampiasa azy noho izy tsy mandoto rivotra sy tsy miteraka loto.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo