• Cours de change
  • 4768.29 AR
  • |
  • $4413.72 AR
Copyright Image : © One Fm
Image
Madagasikara

Ireo fahazarana tsara hananana rehefa mafana loatra ny andro

16/10/2023 16:19 © Moov.Mg

Tafiditra tanteraka ao anatin’ny vanim-potoana lohataona isika amin’izao ka tafiakatra ambony tokoa ny mari-pana, na andro na alina. Mety mitarika aretina an-doha, tevi-doha, tsy fahampin-drano, fahakizitinana… ny hafanana be loatra. Mba hisorohana izany dia atoro eto ary ireo fahazarana tsara hananana rehefa mafana loatra ny andro.

Misotro rano tsara mandritra ny tontolo andro

Rehefa mafana loatra ny andro dia mora tratran’ny tsy fahampin-drano ny ankamaroan’ny olona. Ny fisotroana rano betsaka, 1,5 na 2 litatra, mandritra ny tontolo andro no fomba atao hisorohana izany. Matetika moa rehefa mafana ny andro dia rano na zava-pisotro mangatsiaka no sotrointsika mba hampangatsitsiaka ny vatana. Tsy tena ilaina nefa izany satria vao maika ny vatana mamorona hafanana mba ho fiarovana amin’ilay hatsiaka tampoka nentin’ilay rano.

Misotro zava-pisotro mafana

Mety tsy mandalo ny saintsika ny misotro rano na zava-pisotro mafana rehefa migaingaina be iny ny andro. Tsara nefa ny mampahafantatra fa rehefa misotro dite na kafe mafana dia mitombo ny hatsembohana avoakan’ny vatana. Rehefa lasa entona ny hatsembohana dia mahatsiaro tena mangatsitsiaka sy mahazo aina ny vatana.

Mihinana voankazo sy legioma betsaka

Rehefa andro mafana be toy izao dia ny fihinanana voankazo sy legioma no fahazarana iray manampy betsaka amin’ny fikolokoloana ny vatana sy ny fahasalamana. Ny voankazo betsaka rano toy ny « pastèque », ny « melon » sy ny voasary no atao betsaka hatrany. Raha ny legioma indray dia ireo be « fibres » no ezahina hanina matetika.

Mandro amin’ny rano mafana

Rehefa ilay mafana be iny ny andro dia mety hieritreritra isika hoe mandro amin’ny rano mangatsiaka no mampahazo aina. Mety mahatsiaro tena mangatsitsiaka sy mahazo aina tokoa eo ny eo, indrindra eo anivon’ny hoditra. Rehefa aorian’izay nefa dia lasa mahatsiaro vao maika mafana ny vatana. Tsara kokoa noho izany raha atao mafana ny rano handroana mba hivoaka ny hafanana avy ao anatin’ny vatana.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo