• Cours de change
  • 4768.29 AR
  • |
  • $4413.72 AR
Copyright Image : © L'Indépendant
Image
Madagasikara

Ireo fitandremana hiarovana amin’ny loza ateraky ny varatra

01/11/2023 16:17 © Moov.Mg

Rehefa vanim-potoanan’ny fahavaratra toy izao dia efa miomankomana sahady isika amin’ny orana, ny rivo-doza ary ny varatra. Anisan’ny mitera-doza tokoa ny varatra ka mila mitandrina hatrany ny rehetra. Mba hisorohana ny loza ary dia fantaro ary ireo zavatra tsy azo atao rehefa mikotroka ny andro ary ireo fitandremana rehetra mila atao.

Ireo zavatra tsy azo atao rehefa mikotroka ny andro

Rehefa mikotroka ny andro dia midika izany fa mety hisy varatra hipoaka. Mba hisorohana ny loza ary dia ireto avy misy fitandremana tsara atao rehefa mikotroka :
-Fadiana ny mialoka amin’ny hazo na eo amin’ny trano mbola an-dalam-panamboarana ;
-Tsy miazakazaka fa tsy tian’ny varatra ny hafanana avoakan’ny vatana sy ny fofon’aina ;
-Tsy manakaiky omby satria mafana sady be fofon’aina izy ireny ka tsy tian’ny varatra ;
-Tsy manao loko marevaka, toy ny akanjo mena na mitondra elo mena ;
-Fadiana ny mitazatazana eo am-baravaran-kely rehefa mikotroka. Saromana ny fitaratra raha azo atao ;
-Fadiana ny mialoka ambany elo rehefa mikotroka ny andro satria misintona varatra izany.

Ireo tokony atao rehefa mikotroka ny andro

Rehefa mikotroka ny andro dia tsara raha tsy mijanona ao an-trano ary tsy mivoaka mihintsy raha azo atao. Vonoina avokoa ny zavatra elektronika rehetra fa misintona varatra ireny. Pihina ny finday, fahitalavitra, onjam-peo… Raha toa ka any ivelan’ny trano no sendra ny andro mikotroka dia mitingitingina amin’ny tany, ny loha afenina ao ambanin’ny soroka ary ny tongotra ato mipetraka amin’ny zavatra tsy handairan’ny herinaratra (matière isolante) toy ny kitapo, tady…

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo