• Cours de change
  • 4768.29 AR
  • |
  • $4413.72 AR
Copyright Image : © Madagascar Tourisme
Image
Madagasikara

Tsarabanjina: isan'ireo nosy kely paradisan'i Madagasikara

14/11/2023 14:23 © Moov.Mg

Nosy kely iray ao amin'ny morontsiraka avaratra andrefan'i Madagasikara, ao amin’ny vondronosy Mistio i Tsarabanjina. Mahasarika sy mahatamana ny mpitsidika izy noho izay manana torapasika midadasika sy madio, ranomasina mangarahara, manankarena zavamaniry sy biby tropikaly…

Ahoana no atao raha ho any Tsarabanjina ?

Avy eo Nosy Be no miainga raha maniry hitsidika ny nosy kely Tsarabanjina. Mandeha sambo avy eo Nosy Be ary maharitra eo amin’ny adiny 2 eo ho eo ny dia. Manana safidy roa ny mpandeha, na mamandritra mivantana ny sambon’i Constance Tsarabanjina na mandeha sambo manokana manjoy ny toerana. Maro ny sambo mitatitra olona miainga eo Ambatoloaka mankany Tsarabanjina. Afaka manontany ao amin'ny Sarimanok Hotel na ao amin'ny Kiban Hotel izay samy ao Nosy Be.

Aiza no mipetraka raha hivahiny ao Tsarabanjina ?

Toerana tsara ho an’ny fialan-tsasatra isan’ny raitra eto Madagasikara raha i Tsarabanjina. Ity farany moa dia karazan’ireny atao hoe « île-hôtel » ireny, izany hoe sady nosy no trano fandraisam-bahiny. Raha mikasa ny hijanona andro vitsivitsy ao an-toerana izany dia amin’ilay trano fandraisam-bahiny antsoina hoe Constance Tsarabanjina no mipetraka.
Manana kintana 5 moa ny Constance Tsarabanjina ary ahitana « villas » sy « bungalows de luxe » maro ao aminy. Ankoatra izay dia misy karazana « activités » sy fotodrafitrasa natokana ho an’ny mpitsidika ao an-toerana. Anisan’izany ny tora-pasika manokana, dobo filomanosana, trano fisakafoanana, « spa » ary « centre de plongée ».

Ireo fialamboly afaka atao mandritra ny fialan-tsasatra ao Tsarabanjina

Amin’ny maha toerana fanaovana fialan-tsastra an’i Tsarabanjina dia maro ireo « activités » sy fialamboly azo atao ao aminy. Anisan’izany ohatra ny :
Filalaovana eo amin’ny tora-pasika fotsy mangatsakatsaka sy ny filomanosana ao amin’ny ranomasina madio sy mangarahara ao aminy ;
Fanaovana fitsirihana na « snorkeling ». Ny ranomasina ao Tsarabanjina dia fonenan'ny zavamananaina an-dranomasina isan-karazany, ka mahatonga azy io ho toerana mety amin'ny fitsirihana na « snorkeling ».
Fitsangatsanganana mandeha sambo. Azo atao tsara ny mitety ireo nosy manodidina ary mandinika ny tontolo mahafinaritra eny an-toerana amin’ny alalan’ny fandehanana sambo.
Fitsidihana ireo tanàna kely ao amin’ny nosy Tsarabanjina. Ho an’ireo mankafy mandeha tongotra sy ireo liana momba ny tantara sy ny kolontsaina dia azo atao tsara ny mitsidika ireo tanàna kely eny an-toerana.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo