• Cours de change
  • 4768.29 AR
  • |
  • $4413.72 AR
Copyright Image : © Elles Font Du Vélo
Image
Madagasikara

Vahona : Ampiasaina be loatra, mety ho lany tamingana

06/12/2023 15:42 © Moov.Mg

Saika mahalala avokoa ny Malagasy fa zava-maniry azo atao fanafody ny vahona. Nampiasaina be, noho izany ity zava-maniry ity, tato anatin’ny taona maromaro izao. Vokatr’izay ihany koa anefa dia ahiana ho lany tamingana ny vahona ankehitriny.

Miezaka mitady vahaolana hisorohana izany ny Foibem-Pirenena Misahana ny Fampiharana ireo Voka-Pikarohana ara-Panafody (CNARP).

Fahasimban’ny tontolo iainana

Zava-maniry manodidina ny 600 isa no ambolena ao anaty alan’ny CNARP. Tsy hita afa-tsy eto Madagasikara ny 90% amin’ireo, araka ny fanazavan-dRakotosaona Rianasoambolanoro, talen’ny CNARP. Ny ankamaroan’ireo zava-maniry tsy fahita firy ireo koa anefa dia ahiana ho lany tamingana avokoa, hoy hatrany izy. Isan’izany ny vahona, noho ny fampiasana azy be loatra. Ankoatra izay, matetika no sarotra ambolena ny zava-maniry tsy fahita firy. Araka ny fantatra, ny karazana vahona « Aloe macroclada» izao dia tsy mahazaka tara-masoandro mivantana ny zanany. Raha tratran’ny masoandro be loatra, noho izany ny zanaka vahona vao novolena, dia tsy maniry fa maty ho azy fotsiny. Araka izany koa, rehefa mihavitsy ny hazo afaka manome aloka, dia mihavitsy ihany koa ny vahona sy ny zava-maniry hafa tsy mahazaka masoandro. Raha fehezina dia mifandray mivantana amin’ny fahasimban’ny tontolo iainana ihany koa ny fahavitsian’ny vahona.

Paikady fiarovana

Efa mametraka paikady fiarovana, mba tsy hahalany tamingana ny vahona ny CNARP, araka ny nambaran’ny tale jeneralin’ity ivon-toeram-pikarohana ity. Isan’izany ny fanaovan’ireo manam-pahaizana ao aminy fikarohana, momba ny fomba mahomby azo ambolena ny voany. Karohina ihany koa ny fomba mety hanapahana ny tahony ary tsy hahafaty azy. Ankoatra izay dia misy ny fambolena ny vahona any anatin’ny tontolo arovana, mba tsy ho voakasika izy fa haniry araka ny tokony ho izy. Raha tsiahivina dia niorina tamin’ny taona 1976 ny CNARP, eo ambanin'ny fihahian'ny Minisiteran'ny Fampianarana Ambony ary ny Fikarohana Ara-tsiantifika.

Hatramin'ny niforonany dia efa namokatra fanafody fampiasa andavan'andro maro, izay nalaina avy amin'ireo singa sy ilo notsoahina avy tamin'ny zava-maniry, ity ivon-toerana ity. Efa namoaka asa fikarohana maro teo amin'ny sehatra iraisam-pirenena ihany koa izy.


Copyright Image : © Aloe Vera Gel

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo