• Cours de change
  • 4738.29 AR
  • |
  • $4421.83 AR
Copyright Image : © Qualisocial
Image
Madagasikara

Olona namono tena nefa tsy maty : mila "accompagnement psychologique"

27/12/2023 06:39 © Moov

Voalatsa sy voahiliky ny fiaraha-monina matetika ireo olona namono tena nefa tsy maty. Sokajian'ny maro ho mpanota, kanosa sy tsy te hiatrika fiainana izy ireny. Mila fikarakarana manokana nefa izy ireny mba tsy hiverenany amin'ny famoizam-po indray.

Tonga indray ny fetin'ny faran'ny taona. Miakatra matetika ny tahan'ny famonoan-tena amin'ny vaninandro toy izao. Misy ireo avotra soa aman-tsara na dia nisafidy ny hanapitra ny andro iainany aza. Mamonjy hatrany ireo dokotera raha tonga ara-potoana eny amin'ny hopitaly, eny fa na dia sitrapon'ilay marary aza ny nahatonga ny fahavoazany.

Fifampiresahana sy fanohanana ara-tsaina

Tsy latsa sy vava ratsy velively no ilain'ny olona avy namoy fo. "Accompagnement psychologique" no tsy maintsy atao, mba hananan'ilay olona herin-tsaina hiatrehana ny tohin'ny fiainany. Olona akaiky no tena tsara manatanteraka izany fanohanana izany. Raha misy fahafahana kosa nefa dia azo atao ny manantona "psychologue".
Ny dingana voalohany dia ny fahafantarana ny anton'ilay famonoan-tena. Maro mantsy ireo olona tsy misy mahafantatra hoe manana olana nefa dia namoy fo. Anisan'ny anton'ny famonoan-tena ohatra ny fandaozan'ny olon-tiana, ny fahafatesan'ny olona akaiky, ny fahaverezam-pananana, ny fanendrikendrehana, sns. Tsara ny manamarika fa na adolantsento vao 12 taona aza dia mety hanandrana hanapitra ny andro iainany noho ny fanambaniana sy ny fanavakavahana ataon'ny mpiara-mianatra aminy. Misy indray ireo olona matahotra vavan'olona tsotr'izao noho ny faharesena isan-karazany ka naleony tsy ho isan'ny velona intsony.
Ny dingana faharoa kosa dia ny fitadiavana vahaolana. Raha fandaozan'ny olona akaiky ohatra no anton'ny famoizam-po dia mila ampianarina hahaleo tena ilay olona sady tsy hanankim-po be loatra amin'ny hafa intsony. Tsara ny mifampiresaka amin'ilay fototry ny olana raha mbola azo atao. Tsy mora ny mampanaiky olona iray fa tsy araka izay eritretetina foana ny fiainana, sady tsy azo atao ny mandidy ny safidin'ny hafa. Ny tsirairay mantsy no mila ezaka mba hahay hijoro hatrany manoloana ireo olana samihafa mitranga, sady hamadika ireo sakana (blocages) ho zavatra tsara (opportunités). Raha nisy tanora iray ohatra nilaozan'ny sakaizany dia azo raisina ho tranga tsara izany satria afaka manohy fianarana an-kalalahana indray.
Tsara raha tsy avela irery ny olona avy namoy fo ao anatin'ny fotoana maharitra. Azo atao tsara ny mitondra azy misintaka amin'ny toerana vaovao, indrindra mba isorohana ny vava ratsin'ny manodidina.

Fitsaboana sy fanohanana ara-batana

Tsy mora ny hahazoan'ny olona avy namono tena fahasalamana indray. Nisy fanafody nohanina mantsy nanimba ny vatana, indrindra ireo taova ao anaty. Tsy vitsy ireo mamoy fo no mihinana fanafody mahery vaika tafahoatra, poizim-boalavo na nuvan. Mila maharitra araka izany ny fianakaviana amin'ny fitsaboana sy ny fanohanana ara-tsakafo.
Mila finiavana sy fitiavana lehibe ny fikarakarana ara-batana. Mety haharitra ny fotoam-pitsaboana, satria misy ireo tsy maintsy tsaboina manokana ny vavony. Misy mihitsy aza ireo lasa malemy na tsy mahay miteny. Fadiana ny mikitakita sy mampahafantatra ilay marary fa toy ny enta-mavesatra izy. Ny mpikarakara ihany koa araka izany dia mila tohana tokoa, na ara-batana na ara-tsaina, mba tsy hanimba ny tenany sy ny marary izay karakarainy. Ny fifampizarana hafaliana sy fitiavana mandritra ny fitsaboana dia efa hery lehibe hamerina indray ny tsikin'ilay efa very fanantenana.

Fantarina mialoha ny olona "suicidaire"

Azo atao tsara ny manakana ny olona iray tsy ho latsaka amin'ny famoizam-po. Maro tokoa mantsy ireo fambara azo iahiahiana fa mitady tsy hanana fanantenana intsony. Mila tohanana tokoa ireo olona mila fanampiana :
-Ireo namoy olona akaiky tena niankinana fatratra
-Ireo miaina anaty "relation toxique" ka sady iharan'ny vono sy latsa nefa tsy sahy miala
-Ireo manana kilema na tsy fitoviana amin'ny hafa (anisan'izany ireo voalatsa matetika noho ny lanja)
-Ireo olona tsotra sy mandefitra loatra ka araraotin'ny olona endrikendrehina
-Ireo very asa na very fananana noho ny tsy rariny
Rehefa manomboka manapaka fifandraisana amin'ny hafa (mitokatokana) sady tsy ahitan-tsiky firy intsony ny olona iray dia tokony antonina. Ampiana izy hitady vahaolana mba tsy hahatongavany amin'ny famoizam-po tanteraka.

Adidy sy andraikitra amin'ny maha-olom-banona ny manohana sy manarina ny lavo. Anisan'ny efa fandraisana anjara amin'izany ny tsy famoahana teny marary amin'ny olona namono tena nefa tsy maty. Kodiaran-tsarety mantsy ny fiainana ka samy mety ho tojo ny sarotra avokoa ny olon-drehetra.


Copyright Image : © Nida S

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo