• Cours de change
  • 4733.39 AR
  • |
  • $4423.3 AR
Copyright Image : © References - Le Soir
Image
Asa & Fianarana

Fiandohan’ny taona : ireo vina hanatsarana ny asa sy ny fivelomana

04/01/2024 11:03 © Moov.Mg

Ny fiandohan’ny taona toy izao no fotoana hametrahana vina vaovao entina miatrika ny taona iray manontolo sy hanatsarana ny fiainana amin’ny ankapobeny. Fotoana ihany koa izao hametrahana tanjona mba hivoarana amin’ny lafiny ara-kasa sy ara-pivelomana. Inona avy ary ireo vina tsara apetraka amin’izao fiandohan’ny taona izao mba hampivoatra ny asa sy fitadiavana ?

Mampitombo ny fahaiza-manao

Raha maniry ny hivoatra eo amin’ny tontolon’ny asa dia ilaina ny mampitombo ny fahaiza-manao. Miezaka mitrandraka ireo fivoarana misy eo amin’ny sehatry ny asa izay atao fa tsy mionona amin’izay efa voafehy hatramin’izay. Ho fanatanteraha izany dia tsara raha manaraka fampiofanana, mamaky boky, manatrika ireo hetsika ara-kasa isan-karazany mifandraika amin’ny asa atao.

Mametraka tanjona vaovao

Raha efa misy tanjona ara-kasa napetraka tamin’ny taona lasa nefa tsy tanteraka dia fotoana izao handinihana ny lesoka tsy nahatanteraka izany. Azo hatsaraina izany tanjona izany na ovaina tanteraka mihintsy raha manana tetikasa vaovao mamparisika. Tsara foana raha miainga amin’ny zavatra sy mahaliana no ametrahana tanjona sy tetikasa fa tsy izay ahazoana vola fotsiny ihany.

Manatsara ny fandrindrana ny asa sy ny fomba fiasa

Anisan’ny sakana tsy mampahomby sy tsy mampivoatra amin’ny asa ny tsy fahaizana mandrindra ny asa. Izany hoe mila alamina tsara ny fotoana sy ny fanatanterahana ny asa mba ahatongavana amin’ilay hoe tototry ny asa sy ny havizanana tafahoatra.

Mandroso tsikelikely amin’ny fanatanterahana ny tanjona

Rehefa mipetraka tsara ny tanjona sy ny tetikasa tiana ho tanterahana amin’ity taona ity dia mila miroso amin’ny fanombohana izany. Manarak’izay dia mandroso tsikelikely. Atao am-piheverana avokoa ny zavatra atao ary fadiana ny mitsambiki-mikipy. Ny zava-dehibe dia ny hatratrarana ny tanjona ara-kasa izay napetraka sy ny ahombiazana amin’izany fa tsy ny fotoana nolaniana nahatongavana tamin’izany.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo