• Cours de change
  • 4733.39 AR
  • |
  • $4423.3 AR
Copyright Image : © Doctissimo
Image
Asa & Fianarana

Ireo fomba hisorohana ny rarin-tsaina noho ny asa

08/01/2024 09:55 © Moov.Mg

Anisan’ireo antony lehibe mahatonga rarin-tsaina eo amin’ny olona iray ny asa. Raha tsy voafehy izany dia mety mitarika fahatrotrahana, famoizam-po na ihany koa aretin’ny saina. Azo atao tsara ny misoroka na manamaivana ny rarin-tsaina noho ny asa. Araho eto ary ireo torohevitra manampy amin’ny fanatanterahana izany.

Alamina tsara ny fandaharam-potoana amin’ny fanatanterahana ny asa

Manampy betsaka amin’ny fampihenana ny rarin-tsaina noho ny asa ny fahaizana mandamina ny fandaharam-potoana. Antony iray mahatonga tebiteby sy rarin-tsaina tokoa ny enjikenjika ara-potoana amin’ny fanantanterahana ny asa. Mba hisorohana izany dia tsara atao mipetrapetraka tsara ny fotoana sy ny ora anaovana ny asa tsirairay mandritra ny tontolo andro, ny herinandro na ny volana. Tandremana ihany koa mba tsy atao fohy loatra ny fehim-potoana hanaovana zavatra iray satria mety vao maika ahatonga fitaintainana izany raha tsy vita ara-potoana. Mazava ho azy fa mila hajaina izany fandaharam-potoana izany. Atomboka amin’ny fidirana ara-potoana ao amin’ny toeram-piasana.

Atsahatra ny fangatahan’andro rehefa misy zavatra atao

Fahazarana iray isan’ny mahatonga rarin-tsaina amin’ny olona iray ny fangatahan’andro, na amin’ny fiainana andavanandro izany na eo amin’ny lafiny ara-kasa. Fakam-panahy be tokoa ny fahafahana manemotra ny asa atao raha hita fa mbola tsy maika izany. Fahafinaretana vetivety ihany anefa ny fanaovana izany. Rehefa miandry antomotra loatra vao manao izany asa nangatahan’andro izany dia lasa mitebiteby sy mirotoroto manatanteraka azy ka lasa misy rarin-tsaina. Ankoatra izay moa dia lasa mampitombo ankolaka ny vesatry ny asa atao izany.

Maka fotoana hakana aina

Ilaina tokoa ny fanaovana « pause » na hoe maka aina mba hisorohana ny rarin-tsaina noho ny asa. Na dia betsaka aza ny asa mila tanterahana ao anatin’ny tontolo andro dia mila mitsahatra kely minitra vitsy isaky ny adiny iray na adiny roa mba mba hakan’ny saina sy ny vatana aina. Torak’izany ihany koa rehefa tonga ny fotoana fisakafoanana amin’ny atoandro. Misitaka kely ny fitaovam-piasana mihintsy rehefa misakafo, mandritra ny 30 minitra farafahakeliny. Ny fatoriana atoandro mandritra ny 10 minitra ihany koa dia manampy betsaka amin’ny fampitoniana ny rarin-tsaina ho an’ireo izay afaka manao izany.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo