• Cours de change
  • 5118.59 AR
  • |
  • $4432.44 AR
Copyright Image : © Virgule
Image
Fahasalamana&Sakafo

Fahasalamana : ‘ndeha ho fantarina ireo karazana aretina « hépatite »

28/07/2025 12:55 © Moov.Mg

Marihana isan-taona ny 28 jolay ny andro iraisam-pirenena ho an’ireo karazana « hépatite ». Aretin’ny aty, mety misy fahasarotana, vokatry ny anton-javatra maro samihafa ny « hépatite » ary miankina amin’ny karazany ny fiantraikany amin’ny fotoana maharitra. Andeha ary ho fantarina eto ireo karazana « hépatite », ny antony, ny fomba fifindrany sy ny fisehony.

Ny « hépatites virales » : ireo fahita indrindra

Ny « hépatites virales » no karazana « hépatite » fahita sy nohalalina indrindra. Araka izany anarany izany dia avy amin’ny viriosy izy ireo ary samy manana ny mampiavaka azy :

Ny « hépatite A » na VHA

Ny « virus de l’hépatite A » no mitarika ity karazana « hépatite » ity. Avy amin’ny fidiran’ny loto (kaka) ao am-bava no mahatonga azy izay matetika vokatry ny fisotroana rano na fihinana sakafo nisy loton’ny olona tratr’ity aretina ity. Amin’ny ankapobeny dia otrikaretina mahery vaika nefa tsy dia misy atahorana loatra ny « hépatite A ». Anisan’ireo fambarany ny hoe vizaka, maloiloy, mandoa, marary kibo, malain-komana, manavy sy « jaunisse ». Tsy mivadika areti-mitaiza izy ity. Ny fomba fisorohana azo atao dia ny fanaovana vaksiny, fitandrovana ny fahadiovana, indrindra ny fahadiovan’ny rano sy ny sakafo.

Ny « hépatite B » na VHB

Ny « virus de l’hépatite B » no mahatonga azy. Mifindra amin’ny alalan’ny rà sy ny tsiranoka amin’ny vatana (fanjaitra fitsindromana, firaisana ara-nofo tsy voaaro…) na avy amin’ny reny sy zaza izy ity. Mety mivadika areti-mitaiza sy « risques » hihombo ho lasa « cirrhose » sy homamiadan’ny aty ny « hépatite B ». Maro ireo olona tratr’ity aretina ity no tsy ahitana fambara mandritra ny taona maro. Ny fisorohana azy dia ny fanaovana vaksiny, ny fanaovana firaisana ara-nofo voaaro, fanaovana « dépistage » ny bevohoka.

Ny « hépatite C » na VHC

Ny « hépatite C » dia vokatry ny « virus de l’hépatite C ». Avy amin’ny fifampikasohan’ny rà (tsindrona) no antony matetika mahatonga azy io. Mety mifindra avy amin’ny firaisana ara-nofo tsy voaaro na amin’ny reny sy zaza ihany koa izy io na dia mahalana kokoa aza izany. Tsy dia ahitana fambara izy raha tsy efa mihombo. Mety mivadika areti-mitaiza ary mitarika fahasarotana ara-pahasalamana lalina ny « hépatite C » raha tsy voaray an-tanana ara-dalàna. Tsy misy vaksiny ity aretina ity fa ny fisorohana ireo antony voalaza teo ambony no fomba hiadiana aminy.

Ny « hépatite D » na VHD

Ny « virus de l’hépatite D » atao ihany hoa hoe « virus Delta » no mahatonga azy. Avy amin’ny rà sy ny firaisana ara-nofo tsy voaaro no mamindra azy. Ny olona mitondra ny « hépatite B » no mety ho tratran’izy ity. Izany hoe manamafy sy mampihombo haingana kokoa ny VHB ny VHD. Ny fanaovana vaksiny miaro amin’ny « hépatite B » no fisorohana azy. Ankoatra izay dia tandremana tsara ny fifampikasohana rà sy ny firaisana ara-nofo tsy voaaro.
Ny « hépatite E » na VHE
Ny « virus de l’hépatite E » no mitarika ny « hépatite E ». Avy amin’ny fidiran’ny rano voaloto (kaka) ao am-bava no mahatonga azy ary matetika ny tany mahantra no tena voakasik’izany. Ny fihinanana hena manta na tsy masaka tsara no tena mahatonga azy any amin’ny tany mandroso. Mety mivadika areti-mitaiza izy io eo amin’ny olona marefo ny hery fiarovana ary mety mitarika fahasarotana sy mahafaty eo amin’ny bevohoka raha tsy voatsabo ara-dalana. Ny fitandrovana ny fahadiovan’ny rano sy ny sakafo no isany fisorohana azy.

Ny « hépatites non virales »

Ankoatra ny « infections virales » dia misy ihany koa ireo anton-javatra hafa mahatonga ny aretin’ny aty. Anisan’izany ny :
-« Hépatite alcoolique » vokatry ny fisotroana toaka be loatra sy mandritra ny fotoana maharitra. Ny toaka dia mety manimba ny « cellules hépatiques » ao anatin’ny aty. Miankina ny « inflammation » no mahasarotra na tsia ilay aretina. Mety mitarika « cirrhose sévère » sy tsy mety sitranina izy ity. Anisan’ny soritr’aretina ny hoe malain-komana, vizaka, maloiloy, « jaunisse » sy marary kibo.
-« Hépatite auto-immune » izay vokatry ny famotehan’ny hery fiarovana tsy nahy ireo « cellules » ny aty. Anisan’ireo fambara ny havizanana, fanaintainan’ny vanintaolana, « éruptions cutanées », « jaunisse », tsy fisian’ny fadim-bolana. Mety mihombo lasa « cirrhose » izy ity raha tsy voatsabo.

Lire la suite

Articles Similaires