Te hanena vatana : fantaro ny « règle des 3 aliments » isaky ny misakafo
Maro tokoa ireo maniry ny hampihena tena tsy mila manaraka « régime » mafy loatra sy tsy te handany ora maro amin’ny fanaovana fanatanjahantena. Mety manampy amin’ny fanatanterahana izany faniriana izany ny « règles des 3 aliments » atoro eto amin’ity lahatsoratra ity. Efa maro ireo olona any ivelany no nilaza nahita vokatra tsara tamin’ny fanarahana azy ity.
Inona no atao hoe « règle des 3 aliments » ?
Fomba fisakafoanana manampy raha te hampihena tena malaky kokoa nefa tsy mampijaly be ny « règle des 3 aliments ». Tsotra ny zavatra atoa : ferana ho karazany telo ihany ny sakafo am-bilia isaky ny misakafo. Tsara raha sakafo tsy voahodina sy tsy mamy loatra no hoanina. Ohatra azo atao rehefa misakafo atoandro ny mihinana hena mahia iray toy ny akoho, legioma iray toy ny « brocoli » ary zavatra mitondra « bon lipide » toy ny menaka oliva, ny zavoka… Ny tanjona dia hahatsotra ny sakafo ary hifadiana ny fangaro mavesatra sy saro-devonina.
Tena mandaitra tokoa ve ity fomba fampihenana vatana ity ?
Arak’ireo fijoroana vavolombelona maro sy ny fanambaran’ireo manam-pahaizana amin’ny « nutrition » tany ivelany dia mety manampy amin’ny fampihenana tena malaky tokoa ny « règle des 3 aliments », indrindra rehefa ampiarahana amin’ny fanetsiketseham-batana matetika. Rehefa ferana ny fihinanana sakafo voahodina sy mamy be ary ny fatra be am-bilia dia miteraka fihenan’ny kaloria ho azy izany.
Mila fitandremana
Fitsipika fototra afaka hampiarina amin’ny fahazarana tsara ara-tsakafo ny « règle des 3 aliments ». Mila fitandremana kosa nefa ny fanarahana azy ity. Samy manana ny toe-batany sy ny antony manokana mampatavy azy ny olona tsirairay. Mety izany vokatry ny fikorontanan’ny hormonina, aretina… Ankoatra izay raha tsy voalanjalanja tsara ny sakafo hoanina dia mety miteraka tsy fahampiana otrikaina. Noho izany dia mila lanjalanjaina ny fanatanterahana ity fomba fisakafoanana ity ary tsara hatrany raha manantona mpitsabo vao manomboka manao azy io.