Fikafika natoraly manampy hampisinda haingana kokoa ny sery
Fotoana fiparitahan’ny sery tokoa ny vanim-potoana ririnina toy izao. Samy tratra avokoa na ny kely na ny lehibe. Amin’ny ankapobeny dia sitrana ho azy ny sery afaka andro maromaro. Satria moa mety manorisory sy tsy mampahazo aina ny miandry ny fahasitran’ny sery dia ireto ary misy fikafika natoraly sy torohevitra hampisinda azy io haingana kokoa.
Misotro rano sy maka aina tsara
Manampy betsaka amin’ny fanasitranana malaky ny sery ny fisotroana rano tsara mandritra ny tontolo andro. Mila ampy rano tsara ny vatana mba hampitsiranoka ny lelo sy tsy hampiangona izany anatin’ny orona sy ny tratra. Ankoatra ny rano dia tsara ihany koa ny misotro dite, rony mafana, ranom-boankazo mitapoka rano. Tsy adinoina ny maka aina tsara mba ahafahan’ny vatana miady amin’ny otrikaretina. Tsy mandrera-tena ary manao ampy torimaso tsara.
Ireo torohevitra hampitoniana ny tenda sy ny orona
Anisan’ireo soritr’aretina fahita rehefa voan’ny sery ny hoe marary tena sy jenjina toa tsy avy miaina ny orona. Mba hampitoniana ireo soritr’aretina ireo sy hampisinda haingana kokoa ny sery dia tsara raha :
-Manao gararaka amin’ny ranon-tsira. Afangaro ny sira tapaky ny sotrokely sy ny rano matimaty iray vera. Io no anaovana gararaka matetika anatin’ny tontolo andro mba hampitony ny tenda marary sy hanalefaka ny sery ;
-Mihevoka entona. Mampangotraka rano mafana ary mihevoka izany mandritra ny 5 hatramin’ny 10 minitra. Afaka asiana ravintsara kely mba hampisinda ny orona jenjina ;
-Mihinana tantely sy voasary makirana. Ny tantely dia manana fiasa mampitony ho an’ny tenda ary ny voasary makirana dia manankarena vitamina C. Afangaro ny tantely 1 sotro fihinanana, ny ranona voasary makirana silany ary ny rano mafana 1 kaopy. Sotroina matetika ity fangaro ity anatin’ny tontolo andro.
Ireo torohevitra fanampiny
Misy ihany koa ireo torohevitra fanampiny manampy amin’ny fampisindana haingana kokoa ny sery :
-Mampiasa « humidificateur d’air » ao amin’ny efitrano fatoriana mba tsy ho maina be ny rivotra ka vao maika hampajenjina ny orona sy hahamaina ny tenda ;
-Miala lavitr’ireo « irritants » toy ny setroka sigara sy zavatra hafa mety hanamafy ireo soritr’aretina ;
-Manasa tanana matetika mba hisorohana ny fiparitahan’ny sery.
Raha tsy mety misinda ny sery anatin'ny andro maro na koa mihombo ireo soritr'aretina dia mila manantona mpitsabo hahazo ny fitsaboana sahaza.