Andro Maneran-tany ho an’ny Voa : fanentanana ho an’ny fahasalaman’ny voa
Ankalazaina isaky ny alakamisy faharoa amin’ny volana martsa ny Andro Maneran-tany ho an’ny voa. Natao indrindra hanentanana ny olona rehetra momba ny maha zava-dehibe ny fahasalaman’ny voa sy hampahafantarana ireo aretina mety hihatra amin’ireo taova ireo moa ity andro iraisam-pirenena ity. Fotoana ihany koa izy io hampahatsiahivana fa misy fepetra tsotra azo atao isan’andro hiarovana ny fahasalaman’ny voa.
Voa : mitana anjara asa lehibe ao amin’ny vatana
Taova roa mitovitovy amin’ny endriky ny tsaramaso ny voa. Ao ambany lamosina, eo amin’ny andaniny roa amin’ny hazondamosina no misy azy. Na dia tsy lehibe aza izy ireo, dia tena manana anjara asa lehibe amin’ny fiasan’ny vatana.
Ny asa lehibe ataon’ny voa dia ny manivana ny rà, mba hanesorana ny loto sy ny poizina vokarin’ny vatana. Ireo loto ireo dia avoaka amin’ny alalan’ny pipy. Ankoatra izany, ny voa dia mandray anjara amin’ny fandrindrana ny tosidrà, ny fifandanjan’ny sira sy ny rano ao amin’ny vatana, ary ny famokarana hormonina sasany izay ilaina amin’ny famokarana sela mena sy ny fahasalaman’ny taolana.
Raha tsy mandeha tsara ny voa, dia mety hikorontana ireo asa ireo ka mety hiteraka olana lehibe ara-pahasalamana.
Aretina matetika tsy mampiseho soritr’aretina avy hatrany
Olana iray lehibe amin’ny aretin’ny voa ny fahanginany. Matetika dia mivoatra tsikelikely izy ireny ary tsy mampiseho soritr’aretina mazava mandritra ny fotoana ela. Indraindray aza dia efa mandroso be ny aretina vao miseho ny famantarana sasany.
Anisan’ny soritr’aretina mety hiseho ny havizanana tsy mahazatra, ny fivontosana amin’ny tongotra na kitrokely, ny fiovan’ny fomba fivoahan’ny pipy, na koa ny fiakaran’ny tosidrà.
Noho izany dia tena zava-dehibe ny fanaovana fitiliana mialoha. Ny fitiliana tsotra toy ny fitiliana pipy na fitiliana rà dia afaka manampy hahitana raha misy olana amin’ny voa alohan’ny hiharatsian’ny toe-pahasalamana.
Ireo antony mety hampitombo ny « risques »
Misy antony maro mety hampitombo ny « risques » hahazoan’ny olona aretin’ny voa. Ny roa amin’ireo antony lehibe indrindra dia ny diabeta sy ny tosidrà avo, izay isan’ny mahatonga aretin’ny voa betsaka indrindra maneran-tany.
Ankoatra izany dia misy koa ny antony hafa toy ny hatavezana, ny fifohana sigara, ny fihinanana sakafo be sira, ny fihinanana fanafody tsy misy fanaraha-mason’ny mpitsabo, ary ny fisian’ny aretin’ny voa ao amin’ny fianakaviana. Ny fahanterana ihany koa dia mety hampitombo ny « risques ».
Ny fahafantarana ireo antony ireo dia manampy amin’ny fisorohana sy amin’ny fanentanana ny olona hanao fanaraha-maso ara-pahasalamana matetika.
Fomba hiarovana ny voa isan’andro
Ny fisorohana no iray amin’ireo fomba mahomby indrindra hiarovana ny voa. Isan’ny manampy indrindra hampihena ny « risques » hahavoan’ny aretin’ny voa ny fananana fomba fiaina ara-pahasalamana.
Anisan’izany ny fihinanana sakafo voalanjalanja, ny fampihenana ny sira amin’ny sakafo, ny fisotroana rano ampy isan’andro, ary ny fanaovana fanatanjahantena tsy tapaka. Zava-dehibe ihany koa ny fanaraha-maso tsy tapaka ny tosidrà sy ny tahan’ny siramamy ao amin’ny rà, indrindra ho an’ireo olona manana « risques ».
Tokony fadiana ihany koa ny fihinanana fanafody tsy misy torohevitra avy amin’ny mpitsabo, satria mety hanimba ny voa ny fanaovana izany rehefa ela ny ela.




