• Cours de change
  • 4681.81 AR
  • |
  • $4417.52 AR
Copyright Image : © Vol-Direct.Net
Image
Madagasikara

Mofomamy malagasy : Fomba fikarakarana koba

17/02/2023 07:06 © Moov.Mg

Matetika isika rehefa te hinana koba voanjo matsiro dia mandany fotoana mankany Talata Volonondry. Afaka atao tsara nefa ny manamboatra ity sakafo malagasy ity ao an-trano. Araho ary ny fomba tsotra sy mahomby fikarakarana azy.

Ireo akora ilaina raha hanamboatra koba 25 sm

Kobam-bary 5kg
Voanjo 10 kg
Siramamy mena 5 kg
Ravina akondro sy longozo atao fonosana
Vilany be iray handrahoana azy « bain marie »

Fikarakarana

Endasina ny voanjo ary avy eo totoina miaraka amin’ny ampahin’ny siramamy. Tsy atao potika be loatra ilay voanjo. Etsy an-kilany, afangaro ny kokobam-bary sy ny ambin’ny siramamy. Tsy mijanona raha tsy mahazo paty matavy nefa tsy miraikitra. Mila mampiasa rano mba ahazoana ny hatevenana ilaina. Somary dorana kely indray ireo ravina akondro alohan’ny amelarana azy. Apetraka eo amboniny ilay koba izay vao apetraka ny voanjo voatoto. Ahorina ho boribory ilay ravina mba ho voafono tsara ireo fangaro ao anatiny. Afatotra amin’ny ravin’ankondro voadoro ihany. Apetraka ao anatin’ilay vilany lehibe ary rarahina rano ho difotra tanteraka. Masahana amin’ny afo malefaka mandritra ny 24 ora. Ezahina mba hisy rano foana mandritry ny fandrahoana azy.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo