• Cours de change
  • 5043.45 AR
  • |
  • $4474.9 AR
Copyright Image : © Magicmaman
Image
Reny&Zaza

Vehivavy : Ireo fomba manampy hahazoana zaza aorian’ny faha-40 taona

29/04/2025 16:26 © Moov.Mg

Azo atao tsara ny mitoe-jaza sy miteraka aorian’ny faha-40 taona. Misy kosa nefa ireo fepetra vitsivitsy mila hajaina amin’ny andavanandro mba hanatsara ny fomba fiainana sy ny fisakafoanana mba hampitombo ny « chances » hahabevohoka sy hampizotra ara-dalàna ny vohoka sy ny fiterahana.

Ireo antony tsara tandremana raha maniry ny hiteraka aorian’ny faha 40 taona

Mihena ny « taux de fécondité » rehefa miha-lehibe ny olona iray, indrindra ny vehivavy. Ireo vehivavy miteraka « taraikiraiky », na hoe aorian’ny faha-40 taona, dia mety misedra fahasarotana kokoa eo amin’ny fahazoana zaza raha oharina amin’ireo vehivavy tanora. Misy ihany koa ireo « risques » mety mitranga vokatry ny fitondrana vohoka tara io. Mety izany mahakasika ny fahasalaman’ny bevohoka, mety ihany koa nefa hisy fiantraikany eo amin’ny fahasalaman’ny zaza ao am-bohoka.

Ireo fepetra tsara arahana raha maniry ny hiteraka aorian’ny faha 40 taona

Anisan’ireo fepetra sy torohevitra tsara arahan’ny vehivavy maniry ny hahazo zaza aorian’ny faha-40 taona ny :
-Fanantonana mpitsabo manam-pahaizana manokana amin’ny « fertilité », indrindra raha efa niezaka fa nitoe-jaza nandritra ny volana maro fa tsy nety nipetraka mihitsy ;
-Fampiakarana ny kalitaon'ny fiainana. Sakafo ara-pahasalamana sy voalanjalanja no hoanina. Ireo sakafo manankarena « antioxydants » no atao betsaka noho izy ireo mikolo ny kalitaon’ny « ovocytes ». Afaka manantona « nutritionniste » ihany koa ahafantarana ny « régime alimentaire » tsara arahana ;
-Fialàna sigara ary fampihenana ny fisotroana zava-pisotro misy alikaola ;
-Fandanjalanjana ny lanja, izany hoe tsy manao mahia na matavy loatra ;
-Fampihetsiketseham-batana amin’ny alalan’ny « exercices » tsy mamizaka be loatra, toy ny dia tongotra, mba hanatsarana ny fahasalamana amin’ny ankapobeny sy ny « équilibre hormonal » ;
-Fampihenana ny rarintsaina ;
-Fanaovana ny firaisana ara-nofo mandritra ny fotoana mahalonaka (ovulation) ;
-Fihainoana tsara ny toe-batana ka manantona mpitsabo raha mahatsikaritra tsy fahatomombanana ara-pahasalamana izay mety manakana ny fahazoana zaza.

Lire la suite

Articles Similaires