Fahafatesan'ny zaza ao am-bohoka (mort foetale) : Inona no mety antony ?
Miseho amin'ny endrika samihafa ny fahasarotana ho an'ireo mitondra vohoka. Misy amin'ireo reny no misedra fahafatesan'ny zaza ao am-bohoka, indrindra ireo efa lehibebe ny kibo. Inona àry ireo antony mahatonga izany ?
Tsy misy tompon'ny aina na ny reny mitondra vohoka na ireo mpitsabo. Rehefa misy nefa ny sampona, dia ezaina azavaina amin'ilay reny na fianakaviana namoy zanaka ihany ny antony niavian'ny loza.
Olana amin’ny placenta sy ny lalan-drà
Mety hamono ny zaza ao am-bohoka ny olana amin'ny fikorianan’ny rà mankany amin’ny zaza. Eo ihany koa ny olan'ny ahitra, izay mety misaraka na manarona ny fivoahan'ny tranonjaza.
Olana manokana avy amin'ny reny
Mety hiantraika amin'ny zaza ny aretina mety manjo ny reny mitondra vohoka, indrindra raha tsy voatsabo tsara izany. Anisan'ny mampidi-doza ny diabeta tsy tsaboina tsara, ny tsy fahampiandrà ary ny karazana "infection" (toxoplasmose, syphilis, VIH, sns). Mazava ho azy, mety mahatonga fahafatesan"ny zaza ao an-kibo ny fandraisana zava-mahadomelina, na dia kely aza ny fatrany. Na dia nandray "labiera" na sigara iray fotsiny aza ny reny dia efa manova zavatra maro izany.
Olana avy amin'ny zaza
Mety ho avy amin'ny "malformation" ny fahafatesan'ny zaza, izany hoe misy taova tsy tomombana ohatra. Mety tsy mitombo ara-dalàna ihany koa ny zaza, na nitombo tsara saingy niato tampoka izany. Marihana fa tsy voatery hita mialoha izany rehetra izany.
Amin'ny ankapobeny, miroso amin'ny fandidiana ny mpitsabo hanalana ilay zaza efa tsy miaina intsony. Arakaraka ny haben'ny kibo sy ny zava-misy nefa no androsoan'ny mpitsabo vahaolana. Azo atao ihany ny mamoaka ny zaza amin'ny lalan-jaza mahazatra, amin'ny alalan'ny fampiasana fanafody isan-karazany, mba hanampiana ilay reny hanena.



