• Cours de change
  • 4768.29 AR
  • |
  • $4413.72 AR
Copyright Image : © Aufeminin.Com
Image
Reny&Zaza

Ireo tsara fantatra mikasika ny « grossesse gériatrique »

07/03/2024 10:25 © Moov.Mg

Tsy mitsahatra ny mihemotra ny taona hiterahan’ny vehivavy ankehitriny. Tsy vitsy moa ireo bevohoka aorian’ny faha 35 taona. Izany fitondrana vohoka heverina ho « tara » izany no atao hoe « grossesse gériatrique ». Fa inona tokoa ny mety ho risika ateraky ny « grossesse gériatrique » ? Ahoana no atao ahalavorary ny fitondrana vohoka sy ny fiterahana ?

Ireo antony maha sarotra ny fahazoana zaza aorian’ny faha 35 taona ?

Isan’ireo anton-javatra lehibe miantoka ny fahafahan’ny vehivavy miteraka ny taonany. Marihana fa mora kokoa ho an’ny vehivavy ny mahazo zaza eo anelanelan’ny 25 sy 29 taona. Mihena miandalana ny fahafahana mitoe-jaza eo anelanelan’ny faha 35 sy 38 taona. Aorian’ny faha 40 taona dia mihena ambany kokoa izany.
Araka ny voka-pikarohana nataon’ireo manam-pahaizana tany ivelany dia mety ho ela kokoa vao mitoe-jaza ny vehivavy 35 taona no mihaotra raha oharina amin’ireo 20 hatramin’ny 30 taona. Voamarina tamin’izany fikarohana izany ihany koa fa mitombo ihany koa ny risika ny mety maha afa-jaza eo amin’ireo bevohoka eo anelanelan’ny 40 sy 44 taona.

Ireo mety ho fahasarotana mandritra ny « grossesse gériatrique » eo amin’ny bevohoka

Tsy mitovy ny toe-batan’ny vehivavy tsirairay. Misy ireo salama tsara sy tsy misy olana mihintsy mandritra ny fitondrany vohoka aorin’ny ny faha 35 taona. Misy kosa nefa ireo mandalo fahasarotana ara-pahasalamana na eo amin’ny toe-batana. Anisan’ny fahasarotana mety hitranga ny :
-« Diabète gestationnel » izay karazana diabeta mitranga eo amin’ny bevohoka. Mitombo avy telo heny ny risika hahavoa izany raha oharina amin’ireo bevohoka tanora kokoa ;
-Fiakaran’ny tosi-drà (hypertension artérielle) ;
-« Placenta praevia » na miloloha ahitra ny zaza noho ny tsy fahatomombanana eo amin’ny fivoaran’ny tranon-jaza ;
-Fahafahanjaza ;
-« Césarienne » na fandidiana, indrindra raha bevohoka zaza voalohany.

Ireo mety ho risika eo amin’ny zaza ao am-bohoka

-Mety misy fiantraikany ao amin’ny zaza ao am-bohoka ihany koa ny « grossesse gériatrique ». Anisan’ireo risika mety mitranga ny :
-Fahaterahana tsy tonga volana (prématuré) noho ireo mety ho fahasarotana ara-pahasalamana eo amin’ny zaza ao an-kibo ;
-Tsy fahampiana lanja eo am-pahaterahana izay mety hitarika olana ara-pahasalamana amin’ilay zaza rehefa any aoriana ;
-« Trisomie 21 ».

Ahoana ny atao mba ahalavorary ny fitondrana vohoka aorian’ny faha 35 taona ?

Araka ny voalaza teo ambony dia tsy voatery mitovy avokoa ny toe-batana sy ny toe-pahasalaman’ny vehivavy rehetra manao « grossesse gériatrique ». Mba ahalavorary izany fitondrana vohoka aorian’ny faha 35 taona izany kosa nefa dia ilaina ny fanaraha-maso akaiky izany eny amin’ny mpitsabo na ny rasazy. Misy ireo fitiliana sy fizahana atao mba hijerana ny fahasalaman’ny reny sy ny zaza mandritra ny fitondrana vohoka.
Raha azo atao dia tsara hatrany ny manantona mpitsabo alohan’ny hanaovana bevohoka ho an’ireo vehivavy 35 taona ny mihoatra. Tandrovana tsara ihany koa ny fahasalamana mandritra ny fitondrana vohoka, izany hoe mihinana sakafo ara-pahasalamana, tsy mifoka sigara, tsy misotro toaka…

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo