• Cours de change
  • 5043.45 AR
  • |
  • $4474.9 AR
Copyright Image : © Futura Sciences
Image
Reny&Zaza

Zaza latsaky ny 1 taona : mbola tsy mahazo misotro ronono velona

27/03/2025 22:02 © Moov.Mg

Mbola maro amin’ireo reny mitaiza kely no tsy mahafantatra fa tsy mbola azo hampisotroina ronono velona na ronon’omby ny zaza latsaky ny erin-taona. Rononon-dreny na solon-dronono ihany no azo antoka aloha no hampisotroina azy ireny. Fa inona ary no antony tsy tokony mbola hanomezana ronono velona ny zaza latsaky ny 1 taona ?

Tsy mety amin’ny zaza latsaky ny 1 taona ny singa mandrafitra ny ronono velona

-Ny ronono velona na ny rononon’omby dia mitahiry « protéines » sy mineraly be loatra. Ny voa na ny « reins » ny zazakely nefa mbola tsy lavorary sy matoy tsara ka mety hanavesatra azy ireo ireo « protéines » sy mineraly entin’ny ronono velona.
-Ankoatra izay dia zara raha misy « fer » ao anatin’ny rononon’omby. Ny « fer » nefa dia singa iray tena ilaina amin’ny fitombon’ny zaza. Raha tsy ampy azy io ny zazakely dia mety hanao « anémie ferriprive ».
-Tsy ampy ny vitamina sy ny « acides gras essentiels » ao anatin’ny ronono velona. Ireo singa ireo nefa dia isan’ireo miantoka ny fitomboana ara-tsaina sy ara-batan’ny zazakely.

Mety mampisy « allergies » sy « intolérances »

Ny « protéines » ao anatin’ny ronono velona no isan’ireo antony matetika mampisy « allergies » ny zazakely. Ankoatra izay dia misy ihany koa ny « intolérance au lactose ». Ny siramamy ao anatin’ny rononon’omby atao hoe « lactose » dia mety mampikorontana ny fandevonan-kanina sy ny kibo ka mahatonga fivalanana, areti-kobo… Marihana moa fa mavesatra sy saro-devonina ho an’ny zazakely ny « protéines » sy ny « graisses » ao amin’ny ronono velona satria mbola tsy matoy tsara ny taovam-pandevonan-kanininy.

Oviana no afaka omena ronono velona ny zaza ?

Rehefa feno 1 taona ny zazakely dia afaka ampidirina ho isan’ireo zavatra afaka hoaniny ny ronono velona na ny rononon’omby. Raha misafy hanome ireny « lait en brique » ireny dia ny « lait entier » no tsara kokoa homena ny zaza.
Tsara hatrany ny manantona ny « pédiatre » na ny mpitsabo manokana ny zaza alohan’ny hampidirana ny rononon’omby ho isan’ny sakafon’ny zaza. Ireo ray aman-dreny tsy mahazaka ronono no tena mila mitandrina satria mety tsy hahazaka ihany koa ilay zaza.

Lire la suite

Articles Similaires