• Cours de change
  • 4715.96 AR
  • |
  • $4425.78 AR
Copyright Image : © Graine De Coeur
Image
Sexualité & Mariage

Mpivady : mampaharitra ny fanambadiana ny fananana tanjona iombonana

20/02/2024 20:22 © Moov.Mg

Maro ny mpivady mifankatia sy miaina tsy misy disadisa nefa miafara amin’ny fisarahana. Isan’ny antony lehibe iray maharava tokantrano tokoa ny tsy fananana tanjona iraisana ka manjary lasa misara-dalana ny mpivady. Fa inona tokoa no ilaina ny fananana tanjona iombonana ao amin’ny fanambadiana ?

Mampiray hina sy mampiray saina ny mpivady

Ny fananana tanjona iombonana no isan’ny mampiray hina sy mampiray saina ny mpivady ka mampaharitra ny fanambadiana. Rehefa mitovy tokoa ny tanjona tiana ho tratrarina dia mazoto mifampiresaka sy mikaon-doha ny mpivady hitadiavana ny fomba hatratrarana izany. Rehefa zatra mifampiresaka sy ao anatin’ny fitovian-tsaina izy ireo dia ho mora kokoa aminy ny miara-miatrika ireo sedra sy olana mandalo anatin’ny tokantranony.

Manampy amin’ny fampiroboroboana ny fananana iombonana

Firifiry ny mpivady samy tsara asa na samy tsara fidiram-bola nefa toa sahirana ara-bola eny ihany ary tsy mba manana fananana mivaingana, toy ny trano, tany, fiara... ? Ny ankamaroan’izy ireny ary moa dia misaraka mihintsy no iafarany. Ny antony : tsy mba nanana tanjona niraisana fa samy nanana ny tanjony manokana ka tsy nieritreritra ny hanatsara ny fiainan-tokantrano. Manampy betsaka ny fampiroboroboana ny fananana iombonana ka mampaharitra kokoa ny fanambadiana ny fiarahan’ny mpivady mamaritra tanjona iraisana sy manatanteraka izany.

Manamafy orina ny tokantrano

Tsy mora ny manatratra ny tanjona eo amin’ny fiainana. Izany indrindra ny maha zava-dehibe ny fananana tanjona iombonana eo amin’ny mpivady. Miara-miafy, miara-miezaka ary miara-mifaly rehefa tratra soamantsara ny tanjona niriana. Manamafy orina ny tokantrano ny fiarahan’ny mpivady mamakivaky ireo karazana dingana ireo. Mifanohana hatrany amin’ny zavatra mafy lalovana ary miaraka mianoka ireo vokatra tsara izay jinjaina.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo