• Cours de change
  • 4741.75 AR
  • |
  • $4416.55 AR
Copyright Image : © Ceni
Image
Vaovao

Fitsirihana ny lisitry ny mpifidy : Nivoaka ny efitrano fivoriana ny vondron'ny mpanohitra

21/03/2023 08:52 © Moov.Mg

Nivoaka ny efitrano fivoriana ny vondron’ny Mpanohitra rehefa avy namaky ny fanambarana teo anatrehan'ny delegasion'ny OIF, ny CENI sy ireo mpandray anjara rehetra. Tsy feno hatreto ny fepetra hanatanterahana ny fitsirihana lisim-pifidianana.

Antony mazava
Amin'ireo vondron'ny mpanohitra dia tsy tokony mbola hisy ny fitsirihana ny fifidianana. Ireto àry ny anton'izany :
-Tokony irosoana voalohany ny fitsirihana ny ny rindram-baiko na ny logiciel ampiasain’ ny CENI amin’ny fanavaozana tanteraka ny lisim-pifidianana
-Ilaina ny fenitra mazava ny amin'ny fanangonana ireo tahoan-kevitra momba ireo mpifidy sy ny fanamarihana
-Mbola mitohy ny fandraisana ny fisoratana ny anarana anatina lisim-pifidianana.
Raha aravina, takian'ny vondrona Mpanohitra ny hametrahana rijan-teny fitarihana na ny therme de référence mazava sy iarahan’ny mpisehatra rehetra manaiky momba ireo fitsirihana rehetra ho tanterahina mikasika ny fifidianana.

Marimaritra iraisana
Nangataka ireo mpanohitra mba haharitra hatramin'ny farany ny teo anivon'ny CENI. Tsy naharitra ny fivoriana tapak'andro maraina akory anefa izy ireo dia nandao ny efitrano fivoriana.
Na eo aza ny tsy fitovian-kevitra politika, tsara ny mitady marimaritra iraisana mba hahasoa ny firenena. Ahiana ny hisian'ny korontana eto Madagasikara raha samy miziriziry amin'ny heviny ireo mpanao politika.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo