• Cours de change
  • 4741.75 AR
  • |
  • $4416.55 AR
Copyright Image : © Salama_Manirisoa
Image
Vaovao

Paka ieren-doza 2023 : Ho amafisina ny hetsika fitsirihana ara-teknika

28/03/2023 18:02 © Moov.Mg

Efa manomana sahady ny fanomanana sy ny fametrahana Paka ieren-doza 2023 ankehitriny ireo tompon’andraikitra isan-tsokanjiny. Rehefa fotoanan’ny fety toa izao tokoa dia ahitana fitomboany mazàna ny fivezivezen’ny fiara, indrindra ireo fiara mpitatitra olona mitrandraka ny zotra nasionaly sy rezionaly.

Manoloana izany indrindra dia efa miomana sahady amin’ny fandraisana an-draikitra ny eo anivon’ny Foibe fitsarana fiarakodia (DGSR) amin’ny alalan’ny Sampan-draharaha misahana ny hetsika fitsirihana an-dalambe (Service des opérations et contrôles routiers) miaraka amin'ny mpitandro filaminana (Zandary sy Polisy).

Fitsirihana ara-teknika

Tafiditra ao anatin’izany fanomanana ny fetin’ny Paka 2023 ieren-doza izany ny hetsika fanamafisana ny fitsirihana ara-teknika izay ho tanterahin’ny eo anivon’ny DGRS sy ireo mpitandro ny filaminana. Hifanome tànana izy ireo araka izany mba hanamafisana ny fanaraha-maso ireo taxi-brousse mandray fiaingana eny anivon’ireo toeram-piantsonana rehetra manerana ny Nosy.
Hisy ihany koa ny fitsirihana izaly ho tanterahana eny an-dalambe mihazo ireo lalam-pirenenanna RN1, RN2, RN3, RN4 ary ny RN7. Ho jerena manokana ny resaka tsindry isatra (frein), ny toetry ny kodiarana (pneu), ny lafiny jiro, ny familiana, ny setroka tafahoatra avoakan’ny motera sy ny maro hafa koa. Ho an’ireo fiara ahitana tsy fahatomombanana dia tsy ho afaka handray fiaingana izy ireo, fa tsy maintsy manamboatra izay tsy mety aloha (raha afaka amboarina sy soloina) izay vao afaka mandeha.
Raha ohatra kosa ka tsy vita eo ampitsirihina ny fanamboarana izany tsy fahatomombanana izany, ka ahiana hitera-doza eny an-dàlana ny fiara dia tsy afaka handray fiaingana ity farany. Ho sintomina ny taratasin’ny fiara ka atao « Inapte ». Tsy maintsy amboarina ilay fiara ary tsy afaka miasa raha tsy mahavita « Contre visite ».

Hisokatra avokoa ireo ivon-toerana fitsaràna fiarakodia

Ny 01, ny 08 ary ny 15 Aprily ho avy izao manomboka amin’ny 08 hatramin’ny amin’ny 12 ora atoandro dia hisokatra avokoa ireo ivon-toerana fitsaràna fiarakodia (Centres de sécurité routière), araka ny nambaran’ny DGSR. Rehefa andavanandro kosa dia mihitatra hatramin’ny aminn’ny 04 ora tolakandro ny fisokafan’ireo ivon-toerana.
Natao izao mba hanamora ny fandalovan’ireo tompona fiara tsy dia manam-potoana firy eny aminin’ireo ivon-toerana fitsaràna fiarakodia ireny. Fa indrindra indrindra mba hiarovana ny ain’ireo mpandeha sy ny mpitondra fiara. Manentana ireo manana fiara noho izany ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny mba hiriso amin’ny fitsirihana ny fiarany. Ary miantso ny rehetra ihany koa mba hanaraka ny mangarahara sy ny ara-dalàna, fa ihany koa mba hikolokolo tsy tapaka ny fiarakodia mba hisorohana ny loza mety ho ateraky ny tsy fitandremana sy ny tsy fahatomombanana ara-teknika tampoka.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo