• Cours de change
  • 4741.75 AR
  • |
  • $4416.55 AR
Copyright Image : © Micc
Image
Vaovao

Taniketsa indostrialy : Nahazo ozinina mpanodina Tantely 600 litatra isan'andro ny kaominina Alakamisy Fenoarivo

29/03/2023 05:49 © Moov.Mg

Nahazo ny anjara Taninketsa Indostrialy mpanodina tantely ireo mponin’ny kaominina Alakamisy Fenoarivo Distrika Atsimondrano,Faritra Analamanga. Milina harifomba mandeha amin'ny herinaratra sy ny masoandro izay mahavita manodina tantely hatramin’ny 600 litatra isan’andro no natolotra.

Tontosa omaly 28 marsa 2023 ny fametrahana tamin’ny fomba ofisialy ny ozinina mpanodina tantely tao amin’ny Kaominina Alakamisy Fenoarivo, izay anjaran’ny Distrika Atsimondrano ao anatin’ilay tetikasam-panjakana momba ny fananganana indostria iray isaky ny distrika na ny « One district, one factory na ODOF.

Fotoana mbola nanamafisan’ny Minisitry ny Fampiroboroboana ny Indostria, ny Varotra sy ny Fanjifana (MICC), Edgard Razafindravahy fa « Hotetezina avokoa ireo distrika ka tsy hisy na iray aza ho adino. Tsy ho vitan’ny Fanjakana irery ny fametrahana orinasa manerana ny Nosy fa ilaina ny fiarahana amin’ny mpandraharaha sy ny sehatra tsy miankina. ». Ho an’ny teny Alakamisy Fenoarivo, dia niara-nientana tamin’ny MICC ny FIVMPAMA (Fivondronan’ny Mpandraharaha Malagasy) ao anatin’ny fanatanterahina ny Veliranon’ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina, dia ny fampiroboroboana ny indostria # Fametrahana orinasa isaky ny distrika. Milina hanodina vokatra eny ifotony indray no natolotra androany, satria fitaovana hanodina tantely mba ahazoana kalitaona vokatra tsara hamidy eny an-tsena. Hatao ho tanjona mihitsy ny hanondrana any ivelany. Fanoitra lehibe amin’ny fampandrosoana ny mpandraharaha ary tena zava-dehibe izao dingana ataon’ireo mpandraharaha malagasy ao anatin’ny FIVMPAMA, amin’ny alalan’izao fiarahany mamindra amin-kitsim-po amin’ny Fanjakana izao.

Nentanin’andriamatoa Minisitra hatrany ireo mpandraharaha Malagasy mba hiroso amin’ny fandraharahana tena miteraka vokatsoa ho an’ny firenena. Naneho ny fahavononany mandrakariva ny MICC hifampiresaka sy hanohana ary hampandroso ny fandraharahana tsy akanavaka. Solontenam-panjakana sy manampahefana isan-tsokajiny no tonga nanotrona iny lanonana androany, toy ny Solombavambahoaka voafidy amin’ny Distrikan’Antananarivo Atsimondrano, ny Ben’ny Tanàna Kaominina Alakamisy Fenoarivo, ary ny solontena avy ao amin’ny minisitera misahana ny Fambolena sy ny Fiompiana.

Marihana fa mahatratra miisa 75 ireo milina efa vonona hapetraka amin’ny distrika maro hafa manerana ny Nosy.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo