• Cours de change
  • 4741.75 AR
  • |
  • $4416.55 AR
Copyright Image : © Prm
Image
Vaovao

29 martsa – Andry Rajoelina : « Ho tonga marina anie ny tena fahaleovantena »

29/03/2023 16:24 © Moov.Mg

76 taona anio ny tolom-panafahana nataon’ireo maherifon’ny firenena.

Toa ny fanao isan-taona dia nanome voninahitra ny lanonam-pahatsiarovana ireo maherifo teo amin’ny Mausolée Avaratr’Ambohitsaina ny Filoham-pirenenana. Rehefa izany dia tonga nitsidika ny tanànan’i Moramanga ihany koa ny tenany, izay ivon’ny tolona niseho tamin’izany fotoana.

Mila olona tena tia tanindrazana i Madagasikara

Nanazava fohifohy ny zava-nisy nandritra ny tolom-panafahana natao ny 29 martsa ny filoham-pirenenana Andry Rajoelina nandritra ny fandraisany fitenenana. Tamin’izany ihany koa no nitaritany ny sain’ny vahoaka amin’ny maha zava-dehibe ny firasain-kina sy ny fanehoana ny fitiavan-tanindrazana. Ny ohatra nataon’ireo maherifo hoy izy no fanilo entitsika ankehitriny ary raisina ho modely ny risi-po, ny fahafoizan-tena, ny fitiavan-tanindrazana ary ny firaisan-kina nasehon’izy ireo.
Nolazainy ihany koa fa mila olona tena tia tanindrazana, tia ny vahoaka, manompo ny vahoaka, miasa ho an’ny vahoaka fa tsy miasa ho an’ny tenany ny firenenana. Ary izay vonona hanolotra ny ainy ho an’ny sakaizany, ho an’ny mpiara-belona, ho an’ny vahoaka, izay no atao hoe tia tanindrazana. Nandritra izany fandraisany fitenenana izany dia tsy nisalasala ny teninany nilaza fa « izaho izay manoloana anareo izao dia vonona amin’ny fomba rehetra, hanao ny ezaka rehetra mba hampandroso an’ity firenenana ity. » Nanantitra ihany koa ny tenany fa ny firaisan-kina sy ny fiaraha-mientana ho an'ny tanindrazana iombonana no hahafahana mampandroso sy hahatongavana amin'ny tena fahaleovantena.

Asa vita

Tetsy an-daniny dia noresahany ihany koa ireo asa vita tao Moramanga, ary nosinganiny manokana tamin’izany ny fanamboarana ny làlam-pirenenana faha 44 na ny RN 44 izay mampitohy an’i Moramanga sy Ambatondrazaka. Maro hoy izy no nampanantena fa isika no nanomboka ny asa, isika no nahavita an’izany ary isika no hitokana izany.
Raha ny zava-misy ankehitriny sy ny fanomanana ny fifidianana no jerena dia nataony manokana mba hiantefa any amin’ireo izay tsy mpanara-dia azy izany teny izany. Efa manomboka tokoa manko ny fampielezan-kevitra izay ataon’ireo mety ho kandida ho filoham-pirenenana amin’ity taom-pifidianana 2023 ity, na dia mbola tsy tafiditra ao anatin’izany vanim-potoana izany aza isika ankehitriny. Efa manomboka etsy sy eroa ny famoriana vahoaka, ary efa saika manao izany avokoa na ny eo amin’ny fitondrana, na ireo mpanohitra.
Mitohy hatrany anefa ny fahasahiranana iainan’ny vahoaka. Efa mihatra aman’aina na ny vidim-piainana miakatra, na ny tsy fandrim-pahalemana, na ny tsy faham-pitsakafo sy ny tsy fanan’asa. Miandradra fatratra ny vahoaka ny mba hanana filoham-pirenenana mandeha amin’ny fahamarinana, tena mitsinjo ny vahoaka sy miahy ny vahoaka ka mba hanana fahaleovan-tena tena marina fa tsy sarin-tsariny fotsiny ihany.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo