Fahasalamana : Nisitraka fampitaovana mitentina 750 tapitrisa ariary ny sampana fitsaboana voa ao amin’ny HJRA
Ho fanatsarana ny fandraisana ireo marary rehetra tsy an-kanavaka dia nisitraka fampitaovana hatramin’ny 750 tapitrisa ariary ny sampana fitsaboana voa ao amin’ny HJRA. Fitaovana entina hanaovana « dialyse » ireo natolotry ny Fikambanana Minervois sans Frontières ireo.
« Générateur de dialyse miisa 9 »
Ankoatra ireo « générateur de dialyse » efa misy ao amin’ity hopitaly lehibe ity dia niampy sivy araka izany izy ireo. Ity fitaovana ity izay tena ilaina ho an’ireo olona marary voa ao an-toerana. « Efa manana générateur de dialyse miisa 7 izahay ary hanampy amin’ny fandraisana an-tanana ireo marary mitsabo tena ato an-toerana ireo », hoy Randriamanantsoa Lova, lehiben’ny sampan-draharaha UHCFR ao amin’ny HJRA. Raha ny fanazavana dia mbola ampy ireo fitaovana misy saingy manampy betsaka ireto fanampiny ireto. Tsiahivina fa fomba iray natao hanadiova ny rà an’ireo marary ity dialyse ity. Efa tsy miasa araka ny tokony ho izy intsony mantsy ny voa ka tsy afaka manadio ny rà, izay asa tokony ho ataony. Ireo olona manana voa simba tanteraka no tena ampiasaina ireo fitaovana ireo.
Mitombo ireo marary
Raha ny fanazavana hatrany dia hita fa mitombo ny isan’ireo marary voa, tonga mitsabo tena ao amin’ny HJRA. « Mitombo ary tena betsaka isaky ny herinandro ireo marary ary ao anatin’izany ireo manana voa efa tena simba tanteraka », hoy hatrany ny fanazavana. Etsy ankilany moa dia nanamafy ity lehiben’ny sampan-draharaha ity fa tsy ny « générateur de dialyse » no tsy ampy ao amin’izy ireo fa ny enti-manana na ireo « consommables » ampiasaina hanatanterahana izany. Ireto farany ireto izay sady lafo vidy kanefa indray mampiasa ihany dia tsy maintsy ariana. Raha ny nomarihiny dia manodidina ny 150 000 ariary isaky ny « dialyse » ny vola alohan’ireo marary. Tokony hatao in-telo isaky ny herinandro anefa izy io. Izany no ilain’izy ireo fanampiana sy fanohanana, hahafahana manamaivana ny fahasahiranan’ireo marary.