Tolotra : Maimaimpoana avokoa ny asa hataon’ny mpamonjy voina eto Antananarivo Renivohitra
Isan’ny mankalaza ny andro maneran-tany ho an’ny Vondron’ny mpamonjy voina, ihany koa, ny mpamonjy voina eto Antananarivo Renivohitra. Ankalazaina isaky ny 4 may, maneran-tany moa izany. Fotoana iray nampahafantaran’izy ireo ny fomba fiasany sy nampianarany ny asany, tamin’ireo olona nantsoina manokana.
Tsy handoavam-bola ny fiantsoana ny mpamonjy voina
Tamin’ny endrika maro samihafa ny fankalazana ity andro manan-danja, ho an’ny mpamonjy voina, ity raha ny teto Antananarivo, androany. Fotoana iray nataon’izy ireo hanehoana ny asany amin’ireo mpitsidika sy hampianarana zavatra samihafa. Nanamarika izy ireo, tamin’ity androany, ity fa maimaimpoana ny fiantsoana azy ireo, amin’ny vonjy voina. « Natokana ho an’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra ny mpamonjy voina eto, izany hoe izay tafiditra ao anatin’ireo boriborintany miisa 6 dia maimaimpoana avokoa ny vonjy voina », hoy ny Commandant Ralaivaonoro Eric Olivier, Lehiben’ity Vondrona ity. Nomarihiny fa na ny solika ilain’ny fiara aza dia entohan’izy ireo.
Raha tsiahivina dia ny laharana 118 no laharana maimaimpoana antsoina, rehefa misy ny tranga maika. Anjaran’izy ireo no mamonjy araka ny fotoana haingana, izany loza izany. Raha ny antontan’isa dia manodidina ny 400 isan-taona ny firehetana vonjena, eo amin’ny 100 eo ho eo ireo maty an-drano ary hatramin’ny 1 000 ny fandefasana olona hamonjy toeram-pitsaboana.
Fifanarahana amin’ireo Kaominina manodidina
Araka ny fanamarihana hatrany dia natokana ho an’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra ireo, mpamonjy voina eto Antananarivo ireo. Etsy ankilany anefa dia efa nisy ny fifanarahana, natao tamin’ireo kaominina manodidina, hoy hatrany ity lehiben’izy ireo ity. « Ninoninona voina amin’ireo kaominina ireo dia tsy maintsy mamonjy izahay saingy tsy maintsy misy fandraisana anjaran’ny Kaominina, ao anatin’izany », hoy hatrany ny fanamarihana. Tafiditra ao anatin’izany avokoa ny Kaominina Alasora, Ambohimanambola, Talatamaty, Tanjombato, Itaosy, Ambohidratrimo sy ireo hafa manodidina. Araka izany, dia tsy ny olona tsirairay no manefa izany fa ny Kaominina, mihitsy.
Azo lazaina ho asa filatsahana an-tsitrapo araka izany ny asan’ireto Vondrona mpamonjy voina ireto. Tamin’ity androany ity dia nasehon’izy ire, tamin’ny be sy ny maro ny asa sahaniny sy ny fomba hanatanterahany izany, ho an’ny vahoaka, teny Tsaralalana.




