• Cours de change
  • 4681.81 AR
  • |
  • $4417.52 AR
Copyright Image : © Medd
Image
Vaovao

Fitsarana : Misokatra ny taranja telo vaovao

09/06/2023 13:18 © Moov.Mg

Tafapetraka eo anivon’ny sekoly fampiofanana ny Mpitsara sy ny Mpiraki-draharaha ny taranja telo vaovao.

Taranja ho an’ny mpianatra mpitsara

Araka ny efa nolazaina ombieny ombieny dia taranja telo vaovao no hampidirina amin’ny fandaraham-pianarana ho an’ny mpianatra mpitsara. Ny 02 Jona lasa teo ary no nanolorana tamin’ny fomba ofisialy izany taranja vaovao izany.
Araka ny efa fantatra dia sehatra telo lehibe no ho voakasik’ireo taranja telo ireo. Ireto avy ary ireo taranja : ady amin’ny kolikoly ; ady amin’ny kolikoly mifandray amin’ny fitrandrahana zava-manan’aina voaaro ; ady amin’ny famotsiam-bola sy ny asa fampihorohoroana. Marihana fa mifandraika tanteraka amin’ireo raharaha izay karakarain’ny eny anivon’ny fitsarana avokoa ireo taranja telo ireo.
Izao no tanteraka dia noho ny fiaraha-miasa misy eo amin’ny ministeran’ny Fitsarana, ny ministeran’ny Tontolo iainana sy ny fampandrosoana lovain-jafy, ny WWF, ny BIANCO, ny SAMIFIN, ny TRAFFIC ary ireo manam-pahaizana manokana manokana amin’ireo lohahevitra ireo. Efa voarakitra boky ihany koa ireo taranja ireo, noho ny fanohanan’ny USAID, ary afaka zaraina amin’ireo mpianatra ho mpitsara.

Fanatsarana ny ady amin’ny kolikoly amin’ny endriny maro

Ny fametrahana ireo taranja telo ireo dia tafiditra tanteraka ao anatin’ny fanatsarana ny fandaharam-pianarana eny anivon’ny sekoly fampiofanana ho mpitsara sy ho mpiraki-draharaha. Tanjona amin’izany ny hampitomboana ny lentan’ireo mpiofana amin’ny fandraisana an-tànana sy ny fikarakarana ireo raharaha mifandraika ami’ireo taranja ireo.
Maro tokoa ireo trangana kolikoly hita eto Madagasikara ary mampifanolana olona maro. Mety ahitana izany kolikoly izany avokoa na ny sehatra rehetra na miankina izany na tsy miankina amin’ny fanjakana, ary miseho amin’ny endrika samihafa izany. Voakasik’izany ihany koa ny sehatry ny tontolo iainana, ary manomboka mahazo laka izany.
Raha ny tamin’ity taona 2022 fotsiny no resahana dia teo amin’ny laharana faha 142 amin’ny firenana 180 no misy an’i Madagasikara. Na dia efa nahitana fihatsarana aza izany hoarina ny tamin’ny taona 2021, izay nahateo amin’ny laharana faha-147 antsika, dia hita sy tsapa fa mbola maro ireo ezaka mila tanterahana. Mifandraika amin’izany resaka kolikoly izany ihany koa ireo trangana famotsiam-bola sy ny asa fampihorohoroana.
Tafiditra ao anatin’izany fanamafisana sy ny fanatsarana ny ady amin’ny kolikoly izany indrindra ny fampidirina ireo taranja telo ireo, ao anatin’ny fandaharam-pianaran’ny mpianatra ho mpitsara. Inoana hitondra voka-tsoa ho an’ny sehatry ny fitsarana, araka izany, ny fisian’ireto taranja telo vaovao ireto.

Lire la suite

Articles Similaires

Moov logo