• Cours de change
  • 5118.59 AR
  • |
  • $4432.44 AR
Copyright Image : © Rakotoarivony Albin
Image
Vaovao

Fankalazana : Mankalaza ny faha-30 taonany ny Jeunesse en Mission Madagascar (JEM)

04/11/2024 14:07 © Moov

Mankalaza ny faha-30 taonany amin’ity 2024 ity ny « Jeunesse en Mission Madagascar (JEM) » na ny tanora misionera eto Madagasikara. Niorina teto Madagasikara tamin’ny taona 1994 ity fikambanana ity ary efa manana tanora hatramin’ny 100 miasa ao anatin’izany misionera izany. Marihina moa fa mitory filazan-tsara sy hampiely ny baiboly manerana izao tontolo izao no tanjon’izy ireo.

Asa maimaimpoana

Lehibe ny tanjon’ity fikambanana ity izay hanaparitaka ny baiboly. Ao anatin’izany anefa dia maimaimpoana ny asa tanterahin’izy ireo ary mianto-tena izy ireo any am-panatanterahana ny misiona izay hataony. « Te hampahery ny malagasy rehetra izahay, te hampahery ny kristianina. Mianto-tena izahay ao anatin’izany ary matoky an’Andriamanitra amin’ny asa rehetra sy ny vola ho ampiasaina », hoy ny mpikambana ao amin’ny JEM eto Madagasikara. Ankoatra ny fitoriana filazan-tsara moa dia tanjon’izy ireo ihany koa ny hanapritaka ny baiboly. Miara-miasa amin’ny fikambanana samihafa izy ireo ao anatin’izany. « Manampy na miara-miasa amin’ny fikambanana na fiangonana manana izay vina hitovizana izay izahay. Hiezaka hirotsaka amin’ny asa fandikana baiboly isam-poko sy isam-pitenenana izahay », hoy hatrany ny fanazavana. Raha ny vinan’izy ireo dia zon’ny tsirairay ny manana baiboly araka ny fiteniny avy.

Mpiara-miasa hatramin’ny 20 000

Ahitana ireto misionera ireto maneran-tany. Ao anatin’ny firenena miisa 211 no ahitana ny fiasan’izy ireo. Tsy mifidy fiangonana anefa izy ireo fa afaka mandray anjara amin’izany asa izany avokoa ny rehetra. Afaka samy manana ny fikambanany ireo olona rehetra saingy samy misionera avokoa. Araka izany, efa miisa 20 000 izy ireo manerana izao tontolo izao. Iraka ataon’izy ireo ny hoe "koa mandehana ianareo, dia ataovy mpianatro ny firenena rehetra" ( Matio 28:19). Fitoriana filazantsara, fiomanana ary asa fiantrana sy fampandrosoana no entina manatanteraka io iraka io. Amin’izao fankalazana ny faha-30 taona izao sy ho fanamarihana izany dia hisy ny boky mirakitra ny tantaran'ny JEM hivoaka tsy ho ela.

Lire la suite

Articles Similaires