Harena voajanahary : Manana faritr’ala honko mirefy 59 587ha ny Faritra Melaky
Antoka mampiroborobo ny toekarena manga ny ala honko, satria ao anatin’izy ireny no fonenan’ireo hazan-drano isan-karazany. Manan-danja be ho an’ny tontolo iainana ihany koa ny honko, satria miaro ny sisin-tany, manadio ny rivotra sy ny rano, mangeja ny entona karibaonina… Tany Maintirano, Faritra Melaky, no nanamarihana tamin’ny fomba ôfisialy ny andro iraisam-pirenena ho an’ny rohivoary ala honko taona 2025.
Marihina isaky ny 26 jolay ny andro iraisam-pirenena ho an’ny rohivoary ala honko. “Honko, vahatry ny aina : miaro ireo zavamananaina, manamafy ny fahafahantsika miatrika ny fiovan’ny toetr’andro”, no lohahevitry ny fankalazana nasiônaly, izay notanterahina tany amin’ny Distrikan’i Maintirano, Faritr’i Melaky, ny 26 sy 27 jolay 2025. Nitarika ireo hetsika nentina nanamarika ity andro iraisam-pirenena ho an’ny rohivoary ala honko ity ny minisitry ny Tontolo Iainana sy ny Fandrosoana Lovainjafy, Fontaine Max Andonirina, sy ny minisitry ny Jono sy ny Toekarena Manga, Mahatante Tsiamanaoraty Paubert.
Faritra arovana
Nosafidiana manokana ny Faritra Melaky, nanatanterahana ny fankalazana ôfisialy, noho izy manana manana faritr’ala honko mirefy 59 587ha. Mitahiry harena voajanahary an-dranomasina maro izany no sady miantoka ny fihariana sy ny velontenan’ny mponina any an-toerana. Zava-maniry fahita amin’ny toerana mafana sy be rotsak’orana moa ny honko. Saika ahitana ala honko daholo manerana ny sisin-dranomasin’i Madagasikara, fa any amin’iny morontsiraka andrefana iny no tena ahitana azy betsaka. Noho izany indrindra dia nanentana ny mponina ny minisitry ny Tontolo Iainana sy ny Fandrosoana Lovainjafy, Fontaine Max Andonirina, ny mba hanamafisana ny fiarovana ny rohivoary honko manerana an’i Madagasikara, indrindra ny any amin’ny faritra andrefana.
Noho izany indrindra, nandritra ny fanombohana ny fanamarihana ny andro iraisam-pirenena ho an’ny rohivoary ala honko, tao Maintirano, dia nisy ny lanonana fanaovan-tsonia ny famindram-pitantanana ny faritra arovana, tamin’ny fikambanan’ny Vondron’olona Ifotony (VOI) miisa roa, narahin’ny fanolorana mari-pankasitrahana ho an’ireo nahavita be tamin’ny fiarovana ny harena voajanahary eo anivon’ny faritra Melaky. Nisy ihany koa ny fanomezana fampitaovana ho an’ireo VOI sy mpitantana faritra arovana eo anivon’ny Faritra, ary koa ho an’ireo mpanjono. Tanjona amin’izany ny fanamafisana ny fiarovana sy ny fitantanana maharitra ny ala honko ao Melaky. « Tsy vitan’ny fitondram-panjakana sy ireo mpiara-miombona antoka irery ny fiarovana ny harena voajanahary fa mila miainga eny ifotony, ka rariny raha ireo mponina manodidina no omena andraikitra amin’ny fiarovana izany », hoy ny minisitra Fontaine Max Andonirina.
Fambolena honko tangambavy
Naompana tamin’ny fambolena honko ny andro faharoan’ny fankalazana, omaly 27 jolay 2025. Zanaka honko tangambavy (Ceriops tagal) miisa 30.000 no novolena nandritra izany. « Arakaraky ny fisian’ny ala honko, ny vatohara sy ireo ahitra maro samy hafa ao anatin’ny ranomasina, no mahabetsaka ny harena ao anatin’ny ranomasina. Raha tsy misy ny asa fiarovana ireo harena voajanahary, dia tsy misy ny harena voajanahary izay jonoin’ireo mpanjono », hoy ny minisitra Mahatante Paubert. Nanafatra kosa ny minisitry ny Tontolo Iainana sy ny Fandrosoana Lovainjafy, fa tsy atsatoka fotsiny akory ireto honkovavy ireto, fa hokolokoloina sy harahi-maso, mba hahomby ny fambolena, ary ho tena afaka misitraka ala honko tena maitso ny ao amin’ny Faritr’i Melaky.