• Cours de change
  • 5138.92 AR
  • |
  • $4425.46 AR
Copyright Image : © Moov
Image
Vaovao

Seho Génération 2000 : Niaina indray ny hira nanamarika ny taona 2000 ireo mpankafy

28/07/2025 09:59 © Moov

Nafana ny « Palais des sports Mahamasina », omaly 27 jolay, nandritra ny seho Génération 2000, nokarakarain’ny SR Event. Hipoka ireo tanoran’ny taona 2000 sy ireo mpankafy ny hira tamin’izany tao an-toerana.

Novelomina ny hira nanamarika tamin’izany

Mpanakanto miisa valo no nizara sehatra nandritra ny ora 7 teo ho eo. Nahitana an’i Spydee, Imagine, Mirado, Eric Tahiana, Joy K, Tempo Gaigy, Groupe 'Zay, ary i Marion. Nanokatra ny seho i Spydee. Tsy nisy hira vaovao tao an-toerana fa namelona indray ny hira rehetra nalaza tamin’izany fotoana izany avokoa, izy ireo. Isan’ny niarahana nihira tao ny « Tsy mila hafa » sy ny « fiverenanao ». Nitohy tamin’i Mirado, izay efa nandrasan’ireo tovovavy fatratra, niara-niredona ny « eto aho » sy ny « ho avy tsy ho ela », ny rehetra. Taorian’izay no niakaran’i Eric Tahiana sy ny tarika Imagine. Nanembona indray ireo hiran’ny mpifankatia tamin’izany fotoana izany, izy ireo. Nitohy tamin’i Joy K, izay natombony tamin’ny « Izaho ravoravo fa Malagasy » sy ireo hira samihafa toa ny « za mbô gaga ».
Isan’ny tena nanamarika ny mpankafy kosa ny tarika Tempo Gaigy, tamin’ny dihy sy ny fampisehoana nanamarika ny taona roa arivo. Samy niaka-tsehatra avokoa izy telo mirahalahy, nahitana an’i Lova Love, Faniry ary Popoly. Nandihy, nihira ary nankafy ireo mpitia azy ireo. Niakatra avy eo ny tarika ‘Zay, nitondra ireo hira tamin’izany fotoana izany toy ny « N’inona hitranga ». Namarana ny fiakarana an-tsehatra ary efa nandrasan’ny maro ihany koa i Marion. Kiakiaka, orakoraka ary hafaliana no nandraisan’izy ireo ity mpanakanto ity. Marihina fa any Etats-Unis izy amin’izao fotoana izao no mipetraka ary efa ela no tsy nanatanteraka seho teto.

Tratra ny tanjona

Feno fankasitrahana ireo mpanakanto sy ireo mpankafy i Sylvanno Ratsimandresy avy ao amin’ny SR Event. Tratra ny tanjona hoy ny tenany satria ny hampiaina indray ny hira nanamarika ny taona 2000 no anton’ny hetsika. Hatramin’ny fanentanana samihafa dia tsy niala tamin’izany lohahevitra izany avokoa. Andiany fahatelo sahady moa iny notanterahina, omaly iny.

Lire la suite

Articles Similaires