• Cours de change
  • 5138.92 AR
  • |
  • $4425.46 AR
Copyright Image : © Prm/Autres
Image
Vaovao

Fintim-baovao : Ireo vaovao nisongadina ny 21 hatramin'ny 27 jolay 2025

28/07/2025 06:45 © Moov

Atolotra anao indray ireo vaovao nisongadina ny herinandro lasa teo, dia ny alatsinainy 21 hatramin'ny alahady 27 jolay.

BAC 2025 # Nahomby ny lamina napetraka rehetra

Tontosa tamin'iny herinandro lasa iny ny Bakalorea 2025 ho an'ireo Mpiadina Sokajy ankapobeny. Mbola mitohy manomboka androany 28 jolay kosa ny fanadinana ho an'ny Sokajy Teknika.
Azo lazaina fa nahomby ny lamina napetraky ny Ministeran'ny Fampianarana Ambony satria tsy nisy ny "fuite sujet". Nisy kosa nefa ireo mpanararoatra nanaparitaka ny laza adina efa teny an-tanan'ireo mpiadina, nentina nangalana vola tamin'ny tambazotran-tserasera Facebook. Nisy mpitandro ny filaminana, nikirakira laza adina, voasambotra noho ny fivarotana laza adina, nikasany nangalana vola 60 000 ariary isaky ny mpianatra.
Samy nametraka lamina manokana ihany koa ny foibem-panadinana tsirairay. Amin'ny ankapobeny, tsy navela nanaraka ireo mpiadina ny finday sy ny fitaovana avolenta isankarazany. Nisy mihitsy aza moa ireo nisava ny mpiadina isaky ny fanombohan'ny taranja iray.

Raharaha Ambohimalaza # Nanao Ampamoaka ny Fitondram-panjakana

Tontosa ny takarivan'ny alakamisy 24 jolay ny fandaharana mivantana, nentin'ny Fitondram-panjakana nanatanterahana Ampamoaka mikasika ilay fanapoizinana ara-tsakafo nahafatesana olona 32 teny Ambohimalaza.
Nambaran'ny filoham-pirenena fa poizina namboarina "mpimasy" no nafafy tamin'ny sakafo. Anisan'ny fangaro hita tamin'ilay poizina ny zava-maniry antsoina hoe "Datura" sy "Belladone". Nanamafy moa ireo tompon'andraikitra ambony rehetra nandray fitenenana fa disadisam-pianakaviana no nahatonga izao famonoana olona niniana natao izao. Efa voatazona vonjimaika eny am-ponja moa ilay vehivavy "traiteur", izay tsy iza fa fianakaviana akaiky nanatanteraka valifaty tamin'ilay lanonana.
Mbola mitohy hatrany nefa ny fanadihadihana ny amin'izao raharaha izao. Mbola handalo famotorana maromaro ihany koa ny tompom-pety, na dia mila fotoana maharitra aza izany noho ny toe-pahasalamany.

Fanolanana sy fanodinana horonantsary vetaveta # Lehilahy 34 taona voasambotra

Renim-pianakaviana iray no nametraka fitoriana tao amin’ny Polisin’ny Cybercriminalité Anosy ny 16 Jolay 2025, momba ny zanany vavy 14 taona, izay niharan’ny fanararaotana ara-nofo nataona lehilahy iray.
Fantatra fa manao ranty amin’ny Facebook ilay mpanao ratsy, milaza fa mitady vehivavy tanora, hanao dokam-barotra ary karamaina hatramin’ny 2 tapitrisa ariary. Rehefa tonga anefa ilay vehivavy dia alainy sary manao fihetsika mamoafady sy mampiasa fitaovana samihafa mifandraika amin’izay; sady mbola tereny hanao firaisana ara-nofo aminy ihany koa aorian’izay.
Ny 19 Jolay 2025 izy no voasambotra teny Antsahavola ilay lehilahy 34 taona. Natolotra ny fampanoavana ny tenany ny Alarobia 23 Jolay lasa teo ary nidoboka any Tsiafahy.

Tsy fandriampahalemana eny 67ha sy Ankasina # Mpanendaka roa no maty voatifitra

Mampikaikaika ny mponina sy ireo mpivezivezy eny amin’ny faritra manodidina ny 67ha sy Ankasina ny asa ratsy ataon’ireto jiolahy ireto. Rehefa tsy azony izay ilainy dia mampiasa sabatra sy antsy lava izy ireo ho fitaovana handrahonana izay tojo azy. Miovaova moa ny toerana sy ny ora fanaovan'ireo jiolahy ny asa ratsiny.
Ny maraimben’ny Alakamisy 24 Jolay 2025, nifanehatra tamin’ny Polisin’ny Compagnie Urbaine d’Intervention (CUI) sy ny Unité d’Intervention Rapide (UIR) manao fanamiana sivily ireto mpanendaka teny Ankasina ka raikitra ny fifanjevoana. Nampiasa ny sabatra sy ny antsy lava teny aminy izy ireo hamelezana ireo Polisy ka maty voatifitra ny roalahy. Ny namany iray kosa tafaporitsaka ary mbola karohina.

Hetsika Kopia Faobe # Manohy ezaka matotra ny CUA

Ankizy 86 avy amin’ny fokontany Ouest Mananjara, Ambohibarikely ary Fiadanana 3N no nahazo maimaimaimpoana kopia faobe. Tsiahivina mantsy fa antoka iray handehanan'ny zaza sy ankizy an-tsekoly ny tsy fananana taratasy tsy ara-dalàna. Tanjona araka izany ny hampiomboana ny isan'ny zaza manana kopia nahaterahana, mba ho afaka manamboatra karapanondro rehefa feno 18 taona.
Ny Tetik’asa Sandratra, iaraha-miasa amin’ny Aide et Action sy ny AFD, moa no mamatsy vola amin'ny fampananana kopia ny ankizy Malagasy. Marihana fa mbola hitohy izany satria mbola hisy ny famolavolana kopia faobe 24.000 ho avy.

Fitsidihana ny faritra Ambatosoa # Fanokanana foto-drafitrasa sy fanampiana ara-tsosialy

Nanombohan’ny Filohan’ny Repoblika ny diany tao amin'ny Faritra Ambatosoa ny fiahiana ara-tsosialy ao amin’ny distrikan'i Maroantsetra. Nisy ny fizarana PPN ho an'ny fianakaviana sahirana sy fanampiana ara-bola ho an'ireo fikambanam-behivavy manana tetikasa. Nahazo Hopitaly sy Kianja manarapenitra ary biraon'ny prefektiora ihany koa moa i Maroantsetra. " Raha lavitry ny fampandrosoana hatramin’izay i Maroantsetra dia tsy maintsy miroso amin’ny lalan'ny fanovana ankehitriny ", hoy ny filoham-pirenena Andry Rajoelina.
Tao Mananara Avaratra indray, notokanana ny tobim-pamokarana herinaratra mandeha amin'ny herin'ny masoandro 1MW, misy vatoaratra (batterie) 741 kWh hafahana manangona herinaratra. Mbola nisy ihany koa ny fitokanana ny Kianja Manarapenitra tao Anjahana.

Fiarovana ny varika # International Primatological Society (IPS) 2025

Tontosa soa aman-tsara ny International Primatological Society (IPS) 2025, noraisin'i Madagasikara, ny 21 hatramin’ny 25 Jolay lasa teo.
5 andro nifanakalozan’ny olona maherin’ny 700 avy amin’ny lafy valon’izao tontolo izao : nisy ny atrik’asa, famelabelaran-kevitra, fiofanana ary fotoana nifampizarana izay nahafahana nanamafy ny fifandraisan’ireo mpandray anjara amin’ny fikolokoloina. Voninahitra ho an’ny FAPBM ny nandraisany anjara tamin’ity hetsika lehibe ity, amin’ny maha-mpanohana Platinium azy, tamin’ny alalan’ny tranoheva naneho ny hatsaran’ny faritra arovana eto amintsika. Izany fandraisany anjara izany dia nahafahany nizara ny vokatra azo tsapain-tanana ny asany, ny fahombiazan'ny fiarovana, ary ny fampahatsiahivana ny olona ny maha zava-dehibe ny fiarovana ny lova voajanahary eto amintsika.

Harena Voajanahary # 26 jolay, andro iraisam-pirenena ho an'ny rohivoary ala honko

Manana faritr’ala honko mirefy 59 587ha ny Faritra Melaky, izay mitahiry harena voajanahary an-dranomasina maro ary miantoka ny fihariana sy ny velontenan’ny mponina. Ho fiarovana izany indrindra, nisy ny fanolorana fampitaovana toy ny moto sy ny fitaovana maro isan-karazany ampiasaina amin’ny jono, ho an'ireo vondron'olona ifotony. Nosoniavina tamin'ny andron'ny 26 jolay ihany koa ny famindram-pitantanana faritra arovana tamin’ny VOI sy nanolorana mari-pankasitrahana ho an’ireo nahavita be amin’ny fiarovana ny harena voajanahary eo anivon’ny faritra Melaky.
Manao ny ezaka hatrany ireo Ministera Tompon'andraikitra ( MPEB & MEDD ) na ireo mpanjono na ireo Vondron'olona ifotony amin'ny fanarenana sy fiarovana ity rohivoary ity mba hampaharitra azy ho lovain-jafy satria arakaraky ny fiarovana izany no mahabetsaka ireo harena ao anatiny.

Fitrandrahana harena an-kibon'ny tany # Mpitrandraka madinika ao Maintirano

Mba ahafahana mampiditra ireo mpitrandraka madinika tao amin'ny Kaominina Belitsaky , Fokontany Momperabe, Distrika Maintirano amin’ny sehatra ara-dalàna, dia nanatanteraka fidinana ifotony ny teo amin’ny Fitaleavam-paritra ny harena an-kibon'ny tany Melaky ny 24 Jolay 2025 teo.
Nasiam-panazavana tamin’izany ny teboka maromaro, toy ny lalàna momba ny harena an-kibon'ny tany, ny zo feno ananan’ny mpitrandraka madinika ary indrindra ireo fomba ara-teknika momba ny fitrandrahana vato sy ny fomba fanajana ny kalitao ny vokatra miakatra.
Ny Kaominina Belitsaky moa dia ahitana karazam-bato maro toy ny Agate , quartz fonte, Améthyste, Calcite ary Malachite.

Lire la suite

Articles Similaires