• Cours de change
  • 5118.59 AR
  • |
  • $4432.44 AR
Copyright Image : © Moov
Image
Vaovao

Vohémar : Mpanakanto 19 isa no hanafana ny Festival Tsakaraka andiany faha-19

29/07/2025 14:36 © Moov.Mg

Mpanakanto 19 isa no indray hanafana ny Festival Tsakaraka, izay hotanterahina any Vohémar, Faritra SAVA, amin’io volana aogositra ho avy io. Nampahafantarin’ireo mpikarakara, androany 29 jolay 2025, teny amin’ny foiben’ny Yas Madagascar eny Andraharo, ny votoatin’ny hetsika.

Festival isan’ny zokiny indrindra

Any avaratra andrefan’i Madagasikara any no misy an’i Vohémar, izay antsoina ihany koa, amin’ny teny malagasy, hoe : Vohimarina, na Iharana. Any amin’ny Faritra SAVA no misy azy. Tanàna amoron-tsiraka mahate hitsidika izy no sady manankarena ara-tantara ihany koa. Any amin’izany Distrika izany no hanatanterahana ny amin’ny Festival Tsakaraka, ny 14 hatramin'ny 17 aogositra 2025. Ny fikambanana Zanaka Iharana Tonga Saina no mikarakara azy.

Andiany faha-19 no hotontosaina amin’ity taona ity, izany hoe : isan’ireo « festivals » zokiny indrindra ho an’iny tapany avaratry ny Nosy iny ity hetsika ity. Araka ny fanazavan’ny mpikarakara, dia nisy ny atao hoe : « Fastival Dontsika », tany amin’ny taona 1999, natao tao an-tampon-tanànan'i Vohémar. Nijanona anefa io hetsika io, ka nitady « festival » vaovao ny mponina. Ary satria ny teny hoe : « mitady » dia mitovy hevitra amin’ny hoe : « mitsakaraka », dia avy amin’izay no nisintonana ny anaran’ity hetsika vaovao ity. Teraka tamin’ny taona 2006 ny Festival Tsakaraka.

Fampisehoana sy fanatanjahantena

Mpanakanto miisa 19 be izao no hifandimby hiaka-tsehatra, hanafana ny hetsika, mandritra ireo efatra andro hanatanterahana ny Festival Tsakaraka. Isan’izany i Wawa, Rijade, Mopcaan, Ceasar, maman'i Tsôlôlô, Dadi Love, sy ny maro hafa. Ny andron’ny alakamisy 14 aogositra, aorian’ny lanonana fanokafana ôfisialy, dia ireo mpanakanto vao misondrotra, zanak’i Vohémar, no homena laka, hoy ny fanamarihan’ny mpikarakara.

Hazakazaka am-bisikileta no hanombohana ny Festival Tsakaraka, ny tolakandron’ny alakamisy 14 aogositra. Harahin’ny « carnaval » goavana mamakivaky ny tanànan'i Vohémar izany. Manomboka amin’ny 8 ora alina kosa ny lanonam-panokafana ôfisialy, harahin’ny fifaninanana « Miss et Mister » sy filatroana hampisehoana lamaody. Ankoatra izay dia hanana anjara toerana goavana amin’izao hetsika izao ny fifaninanana ara-panatanjahantena, toy ny morengy, ny « basket ball » sy ny adin’akoho. Ny 17 aogositra, amin’ny famaranana ny Festival Tsakaraka, no hanolorana ny loka ho an’ireo mpandresy amin’ireo fifaninanana ireo.

Lire la suite

Articles Similaires