Sendikan’ny mpitsara : Mandà ny fampiatoana amin’ny asany ireo mpitsara miisa efatra
Nanatanteraka fivoriambe tsy ara-potoana tamin’ity anio ity ny Sendikan’ny Mpitsara eto Madagasikara tetsy Anosy. Anton’izany ny fikarohana vahaolana ny amin’ny fampiatoana amin’ny asany ireo naman’izy ireo miisa 4 ao amin’ny Fitsarana ambaratonga voalohany Antananarivo. Raha tsiahivina dia ny resaka kolikoly no anton’ny fampiatoana azy ireo. Niara-dalana tamin’izany ny mpitsara rehetra ao anatin’ity Sendika ity ary tanjona tao anatin’izany ny hamahana ny olana izay mitranga amin’izao fotoana izao.
Fampiatona tsy manara-dalana
Anton’izay fihaonana izao ny fahitan’izy ireo fa tsy manara-dalana ny fampiatoan’ny Ministera ireo Mpitsara miisa 4 ireo amin’ny asany sy ny fanapahana ny karaman’ireto farany. « Anisan’ny fepetra tokony notakiana izay tsy notanterahin’ny Ministera ny fakana ny hevitry ny lehiben’ny mpitsara na ny tonian’ny mpampanoa lalàna. Tokony hanaraka ny antanan-tohatra rehetra izany fanapahan-kevitra raisina izany », hoy ny fanazavan’ny Filohan’ny Sendikan’ny Mpitsara, Andriantsihorisoa Mbitanarivo. Araka izany, nanatitra ny taratasy fanagatahana ny fanafoanana io fanapahan-kevitra io ireto Sendika ireto tamin’ity anio ity. Tao anatin’izany dia niantso ny Minisitry ny Fitsarana, Rakotomandimby Benjamin Alexis izy ireo ny hiverenany amin’ny fandinihana io fanapahan-kevitra io. Niantefa tamin’ny Filoham-pirenena ihany koa ny hafatr’izy ireo, « Efa zary manalavitra ny vina izay tiana ho tratrarina eto amin’ny Ministera ny fanapahan-kevitra satria efa vitsy izahay mbola misy ahato amin’ny asany ihany koa », hoy hatrany izy ireo tamin’ny fanambarana.
Fitokonana
Taorian’izao fivoriana izao dia nanapa-kevitra ny Sendika ny amin’ny hetsika izay hotanterahiny hanamafisana ny fangatahana. Ho mariky ny firaisankina sy ny fiaraha-mizaka ny zava-manjo ireo namany no anton’izany. « Hanatanteraka hetsika fanairana na « journée d’indignation » ho an’ny tompon’andraikitra izahay rahampitso eto amin’ny lapam-pitsarana Anosy. Araka izany, tsy hisy raharaham-pitsarana handeha ho amin’io tontolo andro io », hoy hatrany ny Filohan’izy ireo. Marihina fa haneho ny firaisan-kinany amin’ireto mpitsara 4 ireto ihany koa ny Fitsarana any amin’ny faritra. Nanambara moa ity Sendika ity fa manohana manontolo ny ady amin’ny kolikoly raha toa ka ireo tena nanao izany no enjehina. Tsy tokony afangaro amin’ny kolikoly kosa ny fahefana nomen’ny lalàna ny Fampanoavana handinika ny heloka tokony enjehina sy ny fijerena ny vesatra tena misy.