• Cours de change
  • 5044.1 AR
  • |
  • $4464.77 AR
Copyright Image : © The Spectator
Image
Sexualité & Mariage

« Divorce party », lanona hafakely hankalazana ny fisaraham-panambadiana

30/04/2025 10:51 © Moov.Mg

Malaza any ivelany, indrindra any Amerika any, ny « divorce party ». Arak’izany anarany izany dia lanonana hankalazana ny fisaraham-panambadiana izy io. Efa manomboka misy manao ity karazana fety ity ihany koa moa eto amintsika. Fa inona ary ny mety mandrisika ny olona nisara-panambadiana hanao « divorce party » ?

Inona no atao hoe « divorce party » ?

Maro dia maro tokoa ankehitriny ny mpivady misara-panambadiana any ivelany any. Raha ny any Frantsa manokana ohatra dia maherin’ny 130 000 ny isan’ny fisaraham-panambadiana tamin’ny taona 2021. Tsy mahataitra sy mahamenatra eo amin’ny fiarahamonina intsony ny fisaraham-panambadiana any amin’ireo firenen-dehibe sasany. Maro ireo manapa-kevitra fa tsy halahelo ny tenany na ho kivy rehefa misara-panambadiana fa hanaovana fety mihintsy aza izany. Tany Etazonia, tamin’ny taona 2006, no namboka nalaza ny « divorce party ». Misy mihintsy ireo matianina mifantoka amin’ny fikarakarana ity karazana lanonana ity ary maro ireo mandany vola be hanaovana fety makotrokotroka. Amin’ny ankapobeny dia ny vehivavy no misafy manao ity fety ity.
Mitovitovy amin’ny fety fanaon’ireo vehivavy vahiny alohan’ny mariazy, na ny « enterrement de vie de jeune fille » ihany « divorce party ». Fa koasa, raha toa ny « enterrement de vie de jeune fille » mifototra amin’ny famaranana ny fiainana amin’ny maha vehivavy tsy manambady sy fanomanana amin’ny fidirana amin’ny tontolon’ny fanambadiana dia mifanohitra amin’izany ny « divorce party ». Izany hoe mamarana ny fiainana amin’ny maha vehivavy manambady sy mankalaza ny fiatombohan’ny fiainana vaovao tsy manambady.

Ahoana ny fizotry ny « divorce party » ?

Samy manana ny fomba hanomanany sy hikarakarany ny « divorce party » ny olona tsirairay. Miankina betsaka amin’ny enti-manana sy ny fialamboly tiana moa no hanatanterahana izany. Matetika moa dia ny namana akaiky no antsoina amin’ity fety ity. Misy ireo miaraka mandeha misakafo, misy ireo manomana lanonana mihintsy : manofa « espace », manisy « décorations », maka « traiteur »… Ny tanjona dia ny hoe faranana amin’ny hafaliana sy ny firavoravoana ilay fanambadiana ka manomboka amin’ny fotoana mahafinaritra ny fiainana vaovao miandry.

Lire la suite

Articles Similaires