• Cours de change
  • 5031.87 AR
  • |
  • $4436.45 AR
Copyright Image : © Base Toliara
Image
Vaovao

Base Toliara : 4 tapitrisa Dolara isan-taona no hanasoavana ny mponina manodidina

08/05/2025 08:52 © Moov

4 tapitrisa Dolara isan-taona ny fandaharan’asa sosialy ho tombontsoan’ny mponina (RSE), araka ny tapaka tamin'ny Filankevitry ny Minisitra, omaly 7 may.

Hitondra soa sy hampivoatra ny any Atsimo ny fisian'ny Orinasa mpitrandraka harena an-kibon'ny tany Base Toliara.

Tamberin'andraikitra

Hisitraka fandaharan'asa ara-tsosialy samihafa ireo vondrom-bahoaka eny ifotony, taorian'ny fifampiraharahana manokana nataon'ny Filohan'ny Repoblika tamin'ireo mpiandraikitra ny tetikasa Base Toliara. Araka izany, mitentina 4 tapitrisa dolara isan-taona, na 18 lavitrisa ariary, ny tamberin'andraikitry ny orinasa (RSE) amina tetikasa sosialy sy fiarovana ny tontolo iainana. Hitombo 2% isan-taona izany famatsiam-bola hanasoavana ny mponina ifotony izany.
Araka ny nambaran'ny filoham-pirenena Andry Rajoelina, hidina ifotony any Atsimo ny tenany, hifampiresaka amin'ireo mponina voakasiky ny tetikasa. Izany no atao dia mba hanitsiana ireo hevi-diso izay mety manakorontana sain'olona maro.

Fanombohana ny asa sosialy

Tsara ny manamarika fa tsy miandry ny fisokafan'ny Base Toliara akory ny fitombohan'ny tetikasa sosialy. Misy famatsiam-bola mitentina 1 tapitrisa dolara hanatanterahana asa maromaro.
Ireto avy ireo asa miandry :
-Fametrahana « Château d’eau » miaraka amin’ny Paompy ao Benetse, Ranobe, Tsianisiha, Tsiafanoky
-Fanamboarana ny lalantany amin’ny RN9 Ranobe # Maromiandra
-Fanesorana ny fasika amin’ny lakandrano manondraka tanimboly ao Tsianisiha sy Ankilimaliniky
-Fanajariana ireo sekoly ao Benetse sy Ankilimaliniky
Mitohy hatrany ny fanadihadihana sy ny fijerevana ifotony ny fiainan'ny mponina manodidina, mba hahafantarana ny filàn'izy ireo.

Lire la suite

Articles Similaires