Fampiasam-bola : Mahaliana firenena maro ny sehatry ny angovo eto Madagasikara
Nisongadina i Madagasikara nandritra ny « Africa Energies Summit 2025" notontosaina tany Londres, ny herinandro lasa teo. Isan’ny nanamarika tamin’izany ny fahalianan’ireo firenena samihafa momba ny fampiasam-bola amin’ny sehatry ny angovo eto Madagasikara.
Manan-karena i Madagasikara
Firenena maro no nandray anjara tamin’ity hetsika ity satria sehatra iraisam-pirenena mampivondrona ireo mpanapa-kevitra, ireo manam-pahaizana sy manana traikefa ary ireo mpampiasa vola amin'ny sehatry ny angovo izy. Nisongadina avy hatrany i Madagasikara vao ny andro voalohany, nandritra ny "Madagascar Showcase". Fotoana nanehoana ny fampahafantarana ny Nosy, tamin'ny alalan-ny Tale Jeneralin’ny OMNIS.
Navoitrany tao anatin'ny fandraisany anjara ireo antony mahasarika hampiasa vola eto Madagasikara izay manana otrikarena momba ny akoranafo sy ny entona. Eo ihany koa ny fananana "bassins sédimentaires" midadasika na an-tanety na an-dranomasina. Fa notsindriany manokana ihany koa ny toerana jeostratejika misy an’i Madagasikara eo anivon'ny Ranomasimbe Indianina fa indrindra ny finiavana lehibe avy amin'ny Fitondram-panjakana hanokatra indray ny fikarohana sy fitrandrahana akoranafo miainga avy amin’ny fanatanterahana ireo fanavaozana isan-tsokajiny. Samy manana ny sehatra mahaliana azy araka izany ireo mpandray anjara, mifandray amin’iroe harena hananana ireo.
Nanatsara ny fifandraisana
Ankoatra ny fampahafantarana ireo mampiavaka an’i Madagasikara ireo dia nandray anjara tamin’ny dinika avo lenta ihany koa ny delegasiona. Nanampy betsaka an’i Madagasikara ny fandraisana anjara tamin'ity hetsika ity satria nahafahana naka traikefa momba ireo fomba fiasa mahomby eo amin'ny samy Afrikanina sy sehatra iraisam-pirenena. Nahafahana nanatsara ny fifandraisana tamin’ireo firenena sy mpampiasa vola samihafa ihany koa io. Maro araka izany ireo mpandray anjara naneho mivantana fa liana amin’ny fampiasam-bola eto Madagasikara na maro aza ireo firenena samy nandray anjara tamin’ity fihaonana an-tampony ity.
Marihina fa zava-misy iraisan’ireo firenena aty amin’ny faritra Afrika atsinanana ny fananana otrikarena goavana saingy mbola ampahany kely no voatrandraka. Mbola malalaka araka izany ny tsena amin’ny fitrandrahana ireo angovo ireo.