Ady amin’ny fanararaotana ara-nofo : Mpitandro ny filaminana miisa 17 no nahazo fiofanana tany Taolagnaro
Any amin’ny Faritra Anosy no ahitana trangana herisetra isan’ny ambony indrindra eto Madagasikara. Araka ny valim-panadihadiana MICS-6 tamin’ny taona 2018, dia mahatratra 21% ny tahan’ny herisetra ara-nofo any an-toerana. Mba hahafahana misoroka sy miady amin’izany dia nomena fiofanana ireo mpitandro ny filaminana any amin’ny Faritra Anôsy.
Tetikasa Andriry Milamy
Niisa 17 ireo mpampiofan’ny Police Générale avy any Bekily, Betroka ary Amboasary Atsimo nisitraka ity fampiofanana voalohany ity, izay niompana tamin’ny fiarovana amin’ny fitrandrahana sy fanararaotana ara-nofo (PSEA). Ny 14 hatramin’ny 16 mey lasa teo no nanatanterahana izany, tany Taolagnaro. Lehilahy ny 14 tamin’izy ireo ary 3 kosa no vehivavy. Tanjon’ny fanofanana nomena ireto mpitandro ny filaminana ireto ny fampiroboroboana ny fandriampahalemana maharitra, ny famposirihana ny fihavanana sy ny fifanatonana eo amin’ny samy mpiara-monina, ary ny fanamafisana ny fampandrosoaa eo amin’ny sehatra ara-tsôsialy sy ara-toekarena.
Tafiditra ao anatin’ny tetikasa Andriry Milamy izao hetsika izao. Ity tetikasa ity moa, izay vatsian’ny Tahirin'ny Firenena Mikambana momba ny fanamafisana ny fandriampahalemana (UNPBF) eto Madagasikara vola, dia mikendry ny fametrahana paikady hisian’ny fandriampahalemana maharitra, any amin’ny faritra Anôsy, Androy, Ihorombe ary Atsimo Atsinanana. Ny Rantsa-mangaikan’ny Firenena Mikambana misahana ny fifindra-monina sy ny Fandaharanasan'ny Firenena mikambana ho an'ny fampandrosoana (PNUD) kosa no misahana ny fanatanterahana azy.
Fisorohana ny herisetra
Noho ity fiofanana ity dia nahazo fahalalana momba ny fisorohana ny herisetra ireo mpiofana, afaka mamantatra ny trangana herisetra ary mandray an-tanana raha sendra fitorohana momba ny fitrandrahana sy fanararaotana ara-nofo, araka ny fenitra iraisam-pirenena momba ny fiarovana ireo olona marefo. Taorian’ny fiofanana, dia anjaran’izy ireo indray ny manohy ny asa eny anivon’ny Faritra niaviany avy, ka hanofana ireo mpisehatra isan-tsokajiny, toy ny mpampianatra, ny tomponandraikitra eny anivon’ny fiarahamonina sy ireo any anaty fikambanana, momba izany ady amin’ny herisetra izany. Izy ireo ihany koa no hikarakara fanentanana eny anivon’ny sekoly sy eny amin’ny sehatra hafa izay mahamety izany. Isan’ny andraikitra hosahanin’izy ireo, ankoatra izay, ny famokarana fanentanana ho an’ny fiarahamonina, toy ny afisy, ny fandaharana amin’ny onjam-peo…
Tanjona ny hamongorana ny herisetra amin’ny ankapobeny, indrindra ny herisetra ara-nofo, izay mbola tena manjaka any anivon’ny fiarahamonina any, ka zary sakana ho amin’ny fampandrosoana.