Fahasalamana : Mety mahafanina ve ny rarintsaina ?
Isan’ny toe-javatra mampitebiteby tokoa ny fahatsapana fanina. Ary ahoana raha avy amin’ny rarintsaina sy ny tebiteby no mahatonga azy io ? Araky ny fanazavan’ny mpitsabo dia mety misy hifandraisana tokoa ny rarintsaina sy ny fahatsapana fanina. Misy ihany koa moa ny fomba manampy hampisinda izany. Araho eto ary ny mikasik’izany.
Mety mahafanina tokoa ve ny rarintsaina ?
Matetika ny fahatsapana fanina dia soritr’aretina mitranga rehefa misy olana ara-pahasalamana. Amin’ny ankapobeny izy io dia tsy fahatomombanana amin’ny « équilibre » avy amin’ny anatin’ny sofina. Misy ihany koa nefa ireo aretina mety mahatonga azy, toy ny « otites », « traumatisme crânien »… Mety handrisika ny fipoitran’ny fahatsapana fanina ihany koa ny rarintsaina, na izany aza nefa dia mbola tsy misy ireo fikarohana manamarina fa antony iray mivantana mety mahatonga ny olona iray ho fanina ity farany.
Na izany aza nefa dia ny fahatsapana fanina sy tsy mahazaka tena toy ny hianjera dia toe-javatra mampitaintaina ka mety mahatonga « stress chronique ». Io tebiteby io dia mety manamafy ny soritr’aretin’ny fahatsapana fanina.
Ireo mety ho fiantraikan’ny rarintsaina eo amin’ny « sens de l’équilibre »
Mety misy fiantraikany eo amin’ny « sens de l’équilibre » izay mahatonga ny fahatsapana fanina ny rarintsaina. Miseho amin’ny fomba roa lehibe moa ireo fiantraikany ireo :
-Famokarana « hormones de stress » toy ny « cortisol » be loatra. Izany dia miteraka tsy fahatomombanana eo anivon’ny « nerf vestibulaire » ka mampipoitra ny fahatsapana fanina.
-Fiovana eo amin’ny fiasan’ny atidoha. Ireo faritry ny atidoha misahana ny « équilibre » sy ny « stress » dia anaty tambajotra iray ihany. Noho izany ireo olona mitebiteby lava na be rarintsaina dia mora manana « troubles de l’équilibre » sy fanina kokoa satria sahirana ny atidoha mandrindra ireo « informations sensiorelles » voarainy.
Ireo fomba atao manoloana ny fahatsapana fanina vokatry ny rarintsaina
Mba hamerana na hiadiana amin’ny fahatsapana fanina vokatry ny rarintsaina dia ilaina ny manamboatra ny fomba fiainana amin’ny ankapobeny. Anisan’ny tsara atao ny hoe :
-Maka fotoana hakana aina. Rehefa mahatsapa fanina dia mipetraka na mitsilany malaky ;
-Fantarina ireo toe-javatra mitarika ilay fahatsapana rehefa mitranga izany. Mety izany, ohatra, toerana misy tabataba na be olona loatra ;
-Miezaka mizatra moramora amin’ireo toe-javatra mahatonga ilay fanina. Tsy fadiana tanteraka ireo toe-javatra ireo fa ezahana toherina tsikelikely ;
-Mitady fanohanana amin’ny olona manodidina raha mahatsapa fanina be mba tsy hianjera sy haratra ;
Raha miverimberina matetika na koa tena manelingelina ny fiainana andavanandro ny fahatsapana fanina dia tsara hatrany ny manantona mpitsabo sao sendra avy amin’ny olana ara-pahasalamana ambadika izy io.