• Cours de change
  • 5124.39 AR
  • |
  • $4531.43 AR
Copyright Image : © Rtbf
Image
Fahasalamana&Sakafo

Fahasalamana : ‘ndeha ho fantarina ny atao hoe « hypocondrie »

27/05/2025 14:49 © Moov.Mg

Samy miasa saina amin’ny toe-pahasalamany avokoa ny olona rehetra. Eo amin’ny olona manao « hypocondrie » kosa dia mivadika ho lasa tahotra sy tebiteby lalina io fiasana saina amin’ny toe-pahasalamana io ka mety lasa mibaiko ny fiainany mihintsy izany. Fa inona tokoa ary ny atao hoe « hypocondrie » ? Ahoana ny fisehony ? Inona no mety mahatonga azy ? Ahoana ny vahaolana azo atao ?

Inona no atao hoe « hypocondrie » ?

Atao hoe manao « hypocondrie » na hoe « hypocondriaque » ny olona iray rehefa mitaintaina lalina na matahotra hoe misy aretina mafy mahazo azy rehefa misy zavatra ara-dalàna tsapany ao amin’ny vatany, toy ny hoe manakotsako kely ny hozatra, maneno ny vavony… Izany hoe raisiny ho fambaran’aretina sarotra izay zavatra tsy mahazatra azy eo amin’ny vatany, eny na dia efa ambaran’ny mpitsabo ary hoe tsy misy atahorana izany. Tsy mody matahotra ilay olona « hypocondriaque » fa tena mitaintaina lalina ary tena misy fiantraikany eo amin’ny andavanandrom-piainany izany tahotra izany.

Ahoana ny fisehon’ny « hypocondrie » ?

Mety miovaova ireo fomba fisehon’ny « hypocondrie ». Anisan’ireo fahita ny hoe :
-Miasa saina sy mitaintaina mieritreritra fa marary mafy ilay olona « hypocondriaque » na dia tsy ahitana soritr’aretina mazava àry ary tsy misy olana ireo fitiliana ara-pahasalamana nataony ;
-Mikaroka « informations » mafy mikasika ireo aretina izy ary izany dia vao maika mety mampitombo ny fitaintainany ;
-Mandeha mankany amin’ny mpitsabo matetika be na dia efa nolazain’ireto farany àry fa salama tsara izy. Mety manantona mpitsabo samihafa mihintsy izy mikasika ny zavatra mitovy ;
-Eo amin’ny olona « hypocondriaques » sasany indray dia mety mifady mankany amin’ny mpitsabo izy satria matahotra mafy sao mahazo vaovao ratsy. Misy ihany koa ireo mizaha lava ny vatany, toy ny « pouls », ny tandra…
-Lasa tsy mahavita mifantoka amin’ny asa aman-draharaha ataony satria mitebiteby foana hoe marary.

Inona no antony mahatonga ny olona ho lasa « hypocondriaque » ?

Maro ireo anton-javatra mety mahatonga ny olona iray ho lasa « hypocondriaque ». Anisan’izany ny :
-Toe-javatra niainana taloha, toy ny hoe narary mafy, nisy fianakaviana akaiky narary mafy ka lasa mora mitaintaina mikasika ny toe-pahasalamana ;
-Fanana toetra « anxieuse » na « perfectionniste » ;
-Rarintsaina lalina, mety mandrisika na mampihombo ny « hypocondrie » ;
-Fianarana mitaiza ny toe-pahasalamana ka lasa mivadika ho fiasana saina be loatra izany.

Ahoana ny vahaolana raha manao « hypocondrie » ?

Azo tsaboina tsara ny « hypocondrie ». Raha mahatsikaritra iray na maromaro amin’ireo fambara notanisaina teo ambony ireo dia mila manantona mpitsabo mba hahazo ny fandraisana an-tanana sahaza. Ny « psychologue » izay mpitsabo manokana ny ara-tsaina no tsara aleha.

Lire la suite

Articles Similaires