• Cours de change
  • 5124.39 AR
  • |
  • $4531.43 AR
Copyright Image : © Giphar
Image
Fahasalamana&Sakafo

Ririnina : ireo torohevitra hampitoniana sy hisorohana ny « engelures »

27/05/2025 11:11 © Moov.Mg

Maro tokoa ireo karazana aretina sy fanaintainana mpiseho mandritra ny ririnina vokatry ny tsy fahazakana hatsiaka. Anisan’ny mampijaly olona maro amin’izy ireny ny « engelures ». Eo amin’ny tanana, sofina, orona ary ny rantsan-tongotra matetika no voakasik’ireto farany. Ho zaraina eto ireo torohevitra manampy hampitoniana ny « engelures » sy ny fomba atao hisorohana azy ireny.

Fomba atao hampitoniana ny « engelures »

Vao mipoitra ireo fambaran’ny « engelures » voalohany, izany hoe mivaramena ny hoditra, mangana na hatsatra, manakotsako, mangidihidy, manaintaina, mivonto na misy poa-drano, dia mila karakaraina malaky sy moramora. Anisan’ny fomba atao hampitoniana azy io ary ny :

Fiarovana azy amin’ny hatsiaka

Esorina ny akanjo lena na manery ilay faritra misy « engelure ». Hafanaina miadana izy io. Ny fandomana azy amin’ny rano matimaty, manodidina ny 38°C eo, mandritra ny 20 minitra. Fadiana ny mampiasa rano mafana na zavatra manome hafanana be tampoka, toy ny « brushing », « bouillote »… satria mety vao maika hampihitatra ireo « lésions » izany. Afaka maka hafanana amin’ny olona (mamihina) na mirakotra lamba ihany koa mba hafana.

Fikarakarana ny hoditra tratry ny « engelures »

Rehefa avy nafanaina ilay faritry ny hoditra tratry ny « engelures » dia hamainina moramora ary tsy kosehana. Raha misy poa-drano dia tsy azo vakiana. Fonosana « pansement stérile » madio mba tsy ho tratry ny loto na hanonotra.
Azo osorana « crème hydratante » na « protectrice » vidiana any amin’ny farmasia mba hampitoniana ilay hoditra sy hanafainganana ny fanasitranana azy. Fadiana kosa ny manisy « produits gras » raha toa ka misy maratra eo amin’ilay faritra.
Afaka manontany fanafody fampitoniana fanaintainana amin’ny mpitsabo na amin’ny farmasianina raha toa ka mangidihidy be na manaintaina be ny « engelures ».

Ireo tsy azo atao

Raha misy « engelures » dia misy ireo fihetsika mila fadiana mba tsy hampihombo ilay marary :
-Mikosoka ilay faritra misy « engelures » ;
-Manafana be tampoka azy io amin’ny zavatra mamoaka hafanana mivantana ;
-Mamaky ny poa-drano ;
-Mifoka sigara, misotro kafe na toaka satria mety manakorontana ny fikorian’ny rà izany ka vao maika hanasarotra ny « engelures ».

Ireo fomba manampy hisorohana ny « engelures »

Ny fisorohana no fomba manampy indrindra hiadiana amin’ny « engelures », indrindra eo amin’ireo tena tsy mahazaka hatsiaka :
-Miaro-tena tsara amin’ny hatsiaka, indrindra amin’ny herikerika rehefa ririnina. Izany hoe fonosina tsara ny tanana sy ny tongotra, manao satroka bônetra sy aro-tenda ;
-Manao akanjo maro sosona rehefa tena mangatsiaka be ny andro ;
-Kiraro mihidy tsara sy mampahazo aina no anaovana. Tsy manao kiraro manery loatra ny tongotra satria manakorontana ny fikorian’ny rà izany ;
-Misotro rano tsara mandritra ny tontolo andro ;
-Manao « crème » manamandina ny hoditra isan’andro.

Lire la suite

Articles Similaires