Fanamboarana « chocolat de Dubaï » amin’ny akora tsotra
Malaza tato ho ato eny amin’ny tambazotra sosialy ny « chocolat de Dubaï » noho izy sady matsiro no somary mikarepoka. Lafo vidy tokoa ity karazana sôkôlà ity, miankina amin’ny mpamokatra azy. Ho an’ireo maniry hanamboatra « chocolat de Dubaï » ao an-trano dia atoro eto ny fanamboarana azy. Akora mora hita eto amintsika no ampiasaina amin’ity fikarakarana ity.
Ireo zavatra ilaina raha hanao « chocolat de Dubaï » ao an-trano
-Chocolat au lait tsara kalitao 200g ;
-Chocolat noir 20g mba handanjalanjana ny tsiro mamin’ny chocolat blanc ;
-Vermicelles de riz na cheveux d’ange 50g ;
-Dibera 20g ;
-Beurre de cacahuète na totom-boanjo malemy tsara 125g (tsy misy sira na siramamy) ;
-Tantely 1 sotro fihinanana ;
-Fleur de sel 1 tsongo.
Ireo dingana amin’ny fanamboarana azy
Endasina mandritra ny segondra vitsy anaty menaka kely ny vermicelles na ny cheveux d’ange mba hibontsina sy hikarepoka. Tsihifina tsara ary apetraka ambony papier absorbant. Rehefa mangatsiaka dia potehana somary lehibe.
Atsonika anaty lapoaly amin’ny afo malefaka ny dibera. Arotsaka ao ny beurre de cacahuète ary afangaro tsara. Alefa ao manarak’izay ny tantely sy ny fleur de sel. Afangaro tsara mandra pahazoana paty mitambatra tsara sy somary mafana.
Bataina teo ambony afo. Arotsaka ao any vermicelles na ny cheveux d’ange. Afangaro tsara ary avela ho matimaty.
Tetehana madinika ny chocolat au lait sy ny chocolat noir. Atsonika miaraka anaty bol amin’ny alalan’ny bain-marie. Aroharoana tsara halama.
Rehefa vonona avokoa ireo fangaro dia alaina ny moule à tablette. Araraka ao ny antsasaky ny chocolat natsonika. Atao miparitaka tsara sy mitovy tantana. Avela misy mihoatra miakatra kely ny sisiny.
Atsofoka anaty vata fampangatsiahana mandritra ny 5 hatramin’ny 10 minitra mba hihamafy ny sôkôlà. Rehefa vonona ity farany dia ahosotra ao anatiny ilay fangaro cacahuète mikarepoka namboarina teo. Rakofana ny ambin’ny sôkôlà eo amboniny. Atao mihosotra sy malama tsara ny tampony.
Averina hatsofoka anaty vata fampangatsiahana mandritra ny adiny 1 na 2 ora mba ho mafy tsara. Rehefa mafy tsara dia esorina moramora avy ao anatin’ny moule. Tetehana araka ny habeny hitiavana azy rehefa hihinana.