• Cours de change
  • 5124.39 AR
  • |
  • $4531.43 AR
Copyright Image : © Mta
Image
Vaovao

Tetikasa Sandratra : Vehivavy 67 eto Antananarivo Renivohitra no nofanina, mba hahaleo tena ara-pivelomana

28/05/2025 10:59 © Moov.Mg

Natomboka omaly 27 mey 2025 ny fanofanana ireo vehivavy eto Antananarivo, ao anatin’ny tetikasa Sandratra, tanterahan’ny Minisiteran'ny Fizahantany sy ny Asa Tanana, ny Kaomininan'Antananarivo Renivohitra ary ny fikambanana tsy miankina Action et Éducation. Manana tanjona ny hanohana sy hampivoatra ireo tanora sy vehivavy tokan-tena ity tetikasa ity.

Fampahaleovan-tenan’ny vehivavy

Raha tsiahivina, tamin’ny volana aprily lasa teo no notanterahina ny fanaovan-tsonia ny fifanaraham-piaraha-miasa teo amin’ny Minisiteran'ny Fizahantany sy ny Asa Tanana, ny Kaomininan'Antananarivo Renivohitra sy ny Action et Éducation Madagascar, ao anatin’ny tetikasa Sandratra, izay tohanan’ny Antokon-draharaha Frantsay ho an'ny Fampandrosoana (AFD). Tanjon’ity tetikasa ity ny hanohanana vehivavy tanora eo anelanelan’ny 15 hatramin’ny 29 taona miisa 900, tokan-tena nefa mitaiza, ao anatin’ny Boriborintany voalohany, fahatelo ary fahefatra, ato anatin’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra. Tanjona goavana amin’izany ny fampahaleovan-tena azy ireo, amin’ny alalan’ny fanofanana arak’asa, ka hananan’izy ireo asa mendrika sy mahavelona.

Fanofanana momba ny taozavatra

Amin’ity andiany voalohany ity dia vehivavy miisa 67, avy amin’ny boriborintany voalohany sy fahatelo, no tolorana fiofanana eny amin’ny Centre National de l'Artisanat Malagasy (CENAM) eny Andavamamba. Ny zaitra, « crochet », « vannerie » ary ny fanamboarana mofomamy no anofanana azy ireo. Haharitra 10 andro izany ary notolorana fitaovana fanaovana mofo ihany koaizy ireo, nandritra izany. Ankoatra izay dia misitraka tohana ara-tsaina ireto vehivavy ireto, hahahafahany miatrika ny fiainana am-pitoniana kokoa. Mbola hisy, atsy ho atsy, ny fampidirana azy ireo eo amin’ny sehatry ny asa, araka ny pôlitika ankapoben'ny Fanjakana, izay mampiroborobo ny fiahiana ny mahaolona. Tanjon’izao fanofanana izao ihany koa ny fampiroboroboana ny fahaiza-manao eo amin’ny sehatry ny taozavatra malagasy.

Lire la suite

Articles Similaires