• Cours de change
  • 5144.28 AR
  • |
  • $4533.35 AR
Copyright Image : © Onusida
Image
Vaovao

SIDA : Ny 18%-n’ny Malagasy miaina miaraka amin’ny VIH ihany no mahazo fitsaboana

30/05/2025 11:25 © Moov.Mg

Mihemotra ny ady amin’ny VIH/SIDA eto Madagasikara, araka ny nambaran’ny talen’ny ONUSIDA eto Madagasikara, Jude Padayachy. Hiaraka hiasa, ao anatin’ny ady amin’ny famongorana ity aretina ity, ny ONUSIDa sy ny Fondation Akbaraly.

Miakatra ny taham-pahafatesana vokatry ny SIDA

Araka ny fanadihadiana nataon’ny sampandraharahan’ny Firenena Mikambana misahana ny ady amin’ny VIH/SIDA (ONUSIDA), dia niakatra amin’ny taha 151% ny trangam-pifindran’ny otrikaretina VIH vaovao eto Madagasikara. Tafakatra 279% kosa ny taham-pahafatesana mifandraika amin’ny aretina SIDA. Raha ny tatitry ny ONUSIDA hatrany dia ny 18%-n’ny Malagasy miaina miaraka amin’ny VIH ihany amin’izao fotoana izao no mahazo fitsaboana. Araka ny nambaran’Atoa Jude Padayachy, izay talen’ny talen’ny ONUSIDA ho an’i Madagasikara, Kaomôro ary Seychelles, dia tombanana ho olona 70.000 eto Madagasikara no voakasik’ity tranga ity, ka misy fiantraikany mivantana eo amin’ny fianakaviany sy ny manodidina azy, ary hatramin’ny hoavin’ny firenena mihitsy, izao zava-mitranga izao.

Marefo ny fari-dranomasimbe Indianina

Ny alarobia 28 mey 2025 lasa teo, nandritra ny fanaovan-tsonia ny fifanaraham-piaraha-miasa teo amin’ny ONUSIDA sy ny Fondation Akbaraly, no nampahafantaran’Atoa Jude Padayachy ireo antontan’isa ireo. Tanjona amin’izany fiaraha-miasa izany ny fanatonana ireo olona tena marefo, ny fiarovana ny vehivavy sy ny ankizy, ny fanamafisana ny fitsaboana sy ny fandraisana an-tanana ireo marary, manerana an’i Madagasikara manontolo, ary koa ny ady amin’ny homamiadan’ny vozon-tranonjaza, izay isan’ny ambana lehibe ihany koa ho an’ny fahasalaman’ny vehivavy eto Madagasikara. Vina iraisana ny hamongorana tanteraka ny VIH/SIDA hatramin’ny taona 2030.

Isan’ny marefo manoloana ny fifindran’ny VIH ny faritry ny ranomasimbe Indianina, noho ny fivezivezena maro sy matetika eo amin’ny mponina avy amin’ireo firenena mifanila. Noho izany indrindra dia nilaza ny talen’ny ONUSIDA ho an’i Madagasikara, Kaomôro ary Seychelles, fa ny faharefoan’ny firenena iray dia miteraka ambana ho an’ny fari-dranomasina iray manontolo. Antony ametrahana paikady ho fisorohana sy famongorana ity aretina ity izany.

Lire la suite

Articles Similaires