• Cours de change
  • 5124.39 AR
  • |
  • $4531.43 AR
Copyright Image : © Mille Feuilles
Image
Vaovao

Indostrian’ny boky : Voarafitra ny satan’ireo matianina amin’ny rohin’ny boky eto Madagasikara

28/05/2025 16:45 © Moov.Mg

Naharitra 3 andro, ny 26 hatramin’ny 28 mey 2025, ny atrikasa mikasika ny satan’ireo mpisehatra eo amin’ny rohin’ny boky eto Madagasikara. Tao amin’ny Tranombokim-pirenena Anosy no nanatanterahana izany. Tanjona ny hanatsarana ny fiaraha-miasa eo amin’ireo mpisehatra rehetra, ho fampiroboroboana ny boky sy ny vaky boky.

Fiarahamiasan’ireo mpisehatra amin’ny boky

Atrikasa miisa 5 izay no efa vita, tao anatin’ny 2 taona, niketrehana, nandinihana ary nandrafetana ny satan’ireo mpisehatra ao anatin’ny rohin’ny boky. Narafitra izao sata izao, mba hisian’ny fiaraha-miasa bebe kokoa, manomboka any amin’ny mpanoratra, mpanonta, mpanapariaka, mpivarotra, ary hatramin’ny mpamaky boky. Hatramin’izay mantsy dia samy nanatanteraka ny anjara asany samy irery ireo mpisehatra rehetra ireo, nefa, araka ny nambaran’ny sekretera jeneralin’ny ministeran’ny Serasera sy ny Kolontsaina, Fetra Rakotondrasoava : « raha misy iray fotsiny no miatrika fahasahiranana dia ilay rohy iray manontolo mihitsy no misedra fahasahiranana ».

Isan’ny tanjona nametrahana ity sata ity, araka izany, ny handrindrana ny fiaraha-miasa eo amin’ireo mpisehatra rehetra ireo, fa ihany koa, mba ho fanamorana ny fifanakalozana sy ny fiaraha-miasa eo amin’izy ireo. Ankoatra izay dia nodinihina nandritra ny atrikasa ny fifanarahana momba ny fametrahana ny vidin'ny boky, ny firoboroboan’ny famoaham-boky tsy mandalo mpanonta (autoédition) sy ny vahaolana azo aroso hahafahana mampihena izany.

Famokarana boky ara-kalitao

Dingana manaraka hirosoana ny hampahafantarana amin’ireo mpisehatra rehetra ny antsipirihan’ity sata mifehy ny rohin’ny boky ity. Nomarihin-dRakotolehibe Valisoa, mpanoratra, fa tsy lalàna akory ny sata, fa karazana fitsipi-pitondran-tena, ahafahan’ireo mpisehatra rehetra ao anatin’ny rohin’ny boky mamokatra ara-kalitao sy ekena eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena. Manana safidy, araka izany ny tsirairay, ny hanasonia ity sata ity, na tsia.

Ny ministeran’ny Serasera sy ny Kolontsaina manokana dia mikendry ny fampiroboroboana ny indostrian’ny famoronana sy ny kolontsaina. Tafiditra ao anatin’izany ny indostrian’ny boky, hoy ny fanamarihan’ny seketera jeneraly, antony nanohanan’ny ministera ireo atrikasa nandinihana ity sata ity, nandritra izay 2 taona izay. Mpiara-miombona antoka tao anatin’izany ny tetikasa Ressources Educatives, izay vatsian’ny Antokon-draharaha Frantsay ho an'ny Fampandrosoana (AFD) vola ary tanterahin’ny Institut Français de Madagascar sy ny Tranombokim-pirenena. Natolotra ny ministeran’ny Serasera sy ny Kolontsaina androany ny satan’ireo matianina amin’ny rohin’ny boky eto Madagasikara.

Lire la suite

Articles Similaires