• Cours de change
  • 5138.69 AR
  • |
  • $4502.07 AR
Copyright Image : © Au Feminin.Com
Image
Sexualité & Mariage

Mpivady tera-bao : ‘ndeha ho resahana ny mikasika ny « baby clash »

02/06/2025 15:42 © Moov.Mg

Dingana iray mahafaly sy feno fitiavana ny fahatongavan’ny zazakely ao amin’ny tokantrano. Mety mitranga ihany koa nefa ny olana sy disadisa eo amin’ny mpivady aorian’ny fahaterahan’ny zaza ka izay no atao hoe « baby clash ». Tsy tokony hahataitra na hampitaintaina nefa izany satria toe-javatra ara-dalàna sy afaka resena tsara.

Inona no atao hoe « baby clash » ?

Tsy aretina akory ny « baby clash » fa vanim-potoana hisian’ny disadisa sy tsy adiady kely eo amin’ny mpivady aorian’ny fahatongavan’ny zazakely. Taloha tokoa mantsy dia nalalaka, afaka nanao izay tiany ny mpivady. Amin’izao, efa lasa tela (na mihoatra), ary lasa misy zazakely miankina tanteraka amin’izy ireo. Ireo fiovana lehibe eo amin’ny fiainana ireo dia mety miteraka :
-Havizanana mafy sy maharitra vokatry ny tsy torimaso tapatapaka noho ny fikarakarana ny zaza. Io tsy fahampiana torimaso io dia mety maha kizitina ny tsirairay ;
-Fikorontanan’ny raharaha ao an-tokantrano. Iza no tokony hanao inona ? Iza no hifoha amin’ny alina ? Matetika moa dia ny reny no hivesaran’izy ireny ka mety hahatonga azy ho tezitra sy hanana lolom-po ho an’ny vadiny ;
-Tsy fahampian’ny fotoana ho an’ny mpivady, toy ny fifampiresahana, fivoahanana miaraka, mihena ny fotoana hiarahana eo am-pandriana… ;
-Tsy mitovy ny zavatra endrasana. Mety samy manana ny fiheverany ny fomba fitaizana ny mpivady ka mety hiteraka fifandonana raha tsy mitovy ny hevitra.

Ahoana ny fomba atao handresana ny « baby clash » ?

Raha mandaly « baby clash » ny tokantrano dia mila atao ao an-tsaina hoe maro ny mpivady tera-bao voakasik’izany ary zavatra mandalo ihany izy io. Anisan’ireo torohevitra manampy handresena ireo olana ireo ny :
-Fifampiresahana eo amin’ny mpivady. Lazaina amin’ny vady ny zavatra ao am-po, ireo zavatra ilaina sy endrasana aminy. Mila enoina ihany koa ny ankilany ary tsy manameloka azy ;
-Zaraina mitovy ny raharaha ao an-trano. Resahana mazava hoe iza no manao inona. Ny raim-pianakaviana ohatra afaka manome « biberon » amin’ny alina, manolo taty lamba na hoe mandray ny zaza rehefa maka aina kely ny reny ;
-Fanekena ny harerahana. Zavatra ara-dalàna ny fahatsapana vizaka rehefa mitaiza kely. Tsy manamelo-tena manoloana izany ary miezaka tsy mikatsaka ny ho ray aman-dreny tonga lafatra ;
-Fitadiavana fotoana hiarahan’ny mpivady. Na dia sarotra azy izany dia miezaka manokana fotoana kely hanafanana ny tokantrano, ohatra hoe miara-misakafo hariva rehefa matory ny zaza, mandeha mivoaka kely tsy mitondra ny zaza raha misy afaka mitaiza vetivety izy…

Lire la suite

Articles Similaires