• Cours de change
  • 5096.22 AR
  • |
  • $4467.47 AR
Copyright Image : © Net
Image
Vaovao

Fintim-baovao : Ireo vaovao nisongadina ny 2 hatramin'ny 8 jona 2025

09/06/2025 00:05 © Moov

Atolotra anao indray ireo vaovao nanamarika ny herinandro lasa teo, dia ny alatsinainy 2 hatramin'ny 8 jona 2025

Akamasoa # Sekoly Ambaratonga Fototra avy amin'i Slovénie

Ny 2 sy 3 jona lasa teo no nanatanteraka fitsidihana ofisialy teto Madagasikara ny filoham-pirenen'i Slovenie, Natasa Pirc Musar. Ny fiaraha-miasan'ny firenena roa tonta no votoanton'ny fihaonany tamin'ny filoha Malagasy Andry Rajoelina. Nitsidika ny Rovan'i Madagasikara teny Manjakamiadana ihany koa ny tenany.
Namaranan'ny filoha Natasa Pirc ny fivahinianany teto Madagasikara, nitsidika ny Akamasoa ny tenany. Tamin'izany indrindra no nitokanana ny trano fianarana lehibe manampy ny EPP Bemasoandro, mahazaka mpianatra maherin'ny 1 300, voatsangana noho ny fanomezan'i Slovenie. Ho fanohanana ny fanabeazana ireo ankizy monina eny amin'ny Akamasoa izao fotodrafitrasa goavana izao. Tsiahivina hatrany fa Slovène ny Père Pédro Opeka, na dia teraka tany Argentine aza.

Akamasoa # Hatsangana ny Résidence Universitaire

Tontosa ny alakamisy 5 jona lasa teo ny fametrahana ny vato fototry ny "Résidence Universitaire" eny amin'ny Akamasoa. Trano lehibe handraisana mpianatra amin'ny ambaratonga ambony miisa 100 izy io. Efitra 50 no kasaina amboarina, ka hipetraka tsiroaroa isaky ny efitra ireo mpianatra. Tsiahivina fa efa manana Oniversite ny Akamasoa. Tanjona ny hahavitan'ireo mpianatra fianarana ambony, mba hahazo asa tsara ka hiala tanteraka amin'ny fahantrana. Vokatry ny fanohanan'ny Fondation Axian sy ny Yas Madagascar moa no hanatanterahana izao tetikasa izao.
Nanambara ny filoham-pirenena tamin'iny herinandro lasa iny fa hatsangana tsy ho ela ny "Centre de Formation Professionnelle" eny anivon'ny Akamasoa.

Jirama # Mbola mitohy ny fahatapahan-jiro mifandimby

Nivahiny tao amin'ny Televiziona Malagasy (TVM) ny filoha lefitra misahana ny famatsian-jiro eo anivon'ny JIRAMA. Tamin'izany indrindra no nanambarany fa mihena atsasany ny famatsiana herinaratra, noho ny tsy fahampian-drano. Miakatra ihany koa ny filàn'ny mponina, noho ny fitomboan'ny mpanjifa, ho an'Antananarivo sy ny manodidina. Adiny roa eo ho eo ny faharetan'ny fahatapahan-jiro, saingy mitombo ny ora raha misy olana ara-teknika manokana, toy ny fahasimbana fitaovana.
Araka izany, mbola hitohy ny "Délestage tournant" amin'ity taona 2025 ity. Mbola tsy manana vahaolana hahafahana mamaha ny olana misy ny Jirama.

Angovo # Pacte énergétique de Madagascar (PEM)

Nankatoavina ny 5 Jona 2025 tao amin’ny « Hôtel Carlton » Anosy, ny fehin-kevitra hoenti-manangana ireo sampana mpanatanteraka ny fifanarahana "Pacte énergétique de Madagascar", ka ny voalohany dia eo anivon’ny Fiadidiana ny Repoblika, ary ny faharoa avy eo anivon’ny Ministeran’ny Angovo sy ny Akoranafo.
Tanjona lehibe ao anatin’ny PEM, handaniana vola mitentina 7,2 miliara dolara, ny fampitomboana hatramin’ny 80% ny tahan’ny vahoaka misitraka herinaratra amin’ny taona 2030. Hiampy 17,7 tapitrisa ny isan’ny vahoaka hisitraka herinaratra ka laharam-pahamehana ny amin’ny tontolo ambanivohitra. Marihana moa fa 85% amin’ny famokarana dia avy amin’ny angovo azo havaozina, ka hanome 893 MW (tobim-pamokarana herinaratra avy amin’ny masoandro sy ny rano).

Fetim-pirenena # Manomboka ny fankalazana ny 26 jona

Tontosa ny alatsinainy 2 jona lasa teo ny fanokafana ny fanamarihana ny faha-65 taona nahazoan'i Madagasikara ny fahaleovantena. Vory lanona teny amin'ny Lapan'ny Tanàna Analakely ireo olo-manan-kaja maro, niaraka tamin'ireo mpiasan'ny Ministera isan-tsokajiny. Notontosaina mandritra ny lanonana ny fampahatsiahivana mikasika ny saina sy ny hiram-pirenena. Nisy ihany koa ny fanentanana ny amin'ny hananganan'ny isan-tokantrano ny sainam-pirenena.
Tsiahivina hatrany fa eny amin'ny Lac Iarivo Ivato no hiainga ny Afomanga ny takarivan'ny 25 jona ho avy izao. Eny Mahamasina kosa, tahaka ny mahazatra, ny matso lehibe hankalazana ny faha-65 taonan'ny foloalindahy Malagasy.

Lamaody # Nandrombaka amboara tany Cannes i Sih Rakout

Norombahin'i Sitraka Harimalala Rakotoasimbola, Sih Rakout, ny "Prix du meilleur jeune créateur éco-responsable" nandritra ny Fashion Week Reich'Art 2025 tany Cannes. Nanasongasina ny fiarovana ny tontolo ianana ny famoronana nasehony tamin'io hetsika io. Manaporofo izany fa sarotiny tokoa i Sih Rakout amin'ireo akora ampiasainy : sady mandray anjara amin'ny fikajiana ny natiora ny tenany sady manolotra vokatra tsara kalitao sy miavaka ho an'ny mpanjifa.
Tsara ny manamarika fa maherin'ny 50 ireo mpamorona lamaody, teo ho eo amin'ny 100 ireo olo-malaza ary mbola maherin'ny 100 ihany koa ireo mpilatro nampiseho ny asany nandritra io hetsika goavana io. Nisy sekoly fianarana lamaody avolenta nandray anjara ihany koa.

Ady amin'ny valala # Jerena manokana ny any Ihorombe sy Anôsy

Mitohy hatrany ny ezaka ataon'ny Ministeran’ny Fambolena sy Fiompiana amin’ny alalan’ny IFVM sy ireo mpiara-miombon’antoka amin'ny famonoana valala. Andiam-balala maherin’ny 20 novonoina tao Ihorombe ary miisa efatra tao Anosy hatramin'ny 05 jona lasa teo.
Angidimby 2 no miasa amin’izao fotoana izao, ka ny iray any Ihorombe ary ny iray any Anosy. Misy famantarana manokana moa ireo angidimby amin'ny asa famonoana valala. Misy ireo toromarika natao manokana ho an'ireo mpamboly sy mponina amin'ny faritra amonoana valala. "Hiaro ny vokatra amin'ny Valala : mila fiaraha-mientana avy amin’ny rehetra" : izany no teny filamatra amin'ny asa tanterahina.

Ihosy # Notohanana manokana ireo mpiompy trondro

Tontosa ny faha 04 Jona 2025 tao amin’ny FKT Sakena Antoby, Kaominina Ambanivohitra Mahasoa, ny fanomezana zanatrondro karpa (carpes) miisa 360 ho an’ny tantsaha vao manomboka amin’ny fihariana trondro. Nomena ireo tantsaha ireo zanatrondro somary efa lehibe mba hanamora ny fiompiana sy hahazoana vokatra haingana. Ankoatra izany, nanome fanohanana ara-teknika ihany koa izy ireo amin’ny fanatsarana ny dobo fiompiana sy ny fitantanana ny fomba fiompiana mba hahazoana vokatra tsara sy maharitra.
Ankoatra ny fanomezana zanatrondro dia nisy ihany koa ny fanaraha-maso ny fitomboan’ireo zanatrondro karpa nomena tamin’ny volana Janoary 2025. Ireo trondro ireo izay efa dimy volana izao, ary efa mahatratra 400 grama ny salan’isan’ny lanjan’ny tsirairay izay manaporofo ny fahombiazan’ny fiompiana sy ny fanohanana ara-teknika omena.

Maevatanàna # Vono olona noho ny hasarotampiaro

Lehilahy iray no nahafaty ny zanany sy olona roa mifanila trano aminy, vokatry ny hasarotampiaro tamin'ny vadiny. Tany amin'ny kaominina ambanivohitra Ambalajankomby no nitrangan'izany habibiana izany.
Araka ny vaovao voaray, nisy fifamaliana teo amin'izy mivady noho ny hasarotampiaro. Rehefa raikitra ny kotaba dia nandray antsy ilay rangahy ka saika hampiasa izany amin'ilay vadiny. Niaro ny reniny nefa ilay zanany ka dia voafira antsy ary tsy tana ny ainy. Voan'ilay antsy ihany koa ilay ramatoa saingy naratra fotsiny. Nivoaka ny trano avy eo ilay rangahy ka nampiasa ilay antsy tao amin'ireo mpifanolobodirindrina, ary nahafaty roalahy. Nitolo-tena teny amin'ny manampahefana moa ilay lehilahy nahavanon-doza.

Ambohidratrimo # Fanohanana ny tanora sy ny reny tokantena

Notanterahina ny alatsinaina 2 jona tao Ambohidratrimo ny fanolorona mari-pahaizana ho an'ireo 15 mianadahy niatrika fiofanana maimaimpoana amin'ny fanaovana "Broderie". Tafiditra ao anatin'ny Programa Sambatra izany, izay miompana amin'ny fanohanana ireo reny tokantena, vehivavy sy tanora amin'ny alalan'ny fanomezana fiofanana ho fiahiana sy fampivoarana azy ireo hahahelotena sy hitondra asa ho an'ny manodidina azy. Ny Minisiteran'ny Fizahantany sy ny Asa tànana moa no angady nananana izao tetikasa izao.
"Na dia misy aza vokatra vita amin'ny machine dia tsy manam-paharoa ny vita-tànana", hoy Ramatoa Minisitry ny Fizahantany sy ny Asa tànana, Viviane DEWA, ka nankahery ireo tanora hanovo fahalalana sy fahaiza-manao hatrany.

Sainte-Marie : Andro manerantany ho an'ny Tontolo iainana

Tany Sainte-Marie no nanatanterahana ny fanamarihana ny andro maneran-tany ho an’ny tontolo iainana. Tanjona tamin'izany ny hanaovana ny hanaovana an’ Sainte-Marie ho tanàna maodely tsy misy plastika, araka ny lohahevitra hoe "Nosy ho amin'ny hoavy tsy misy fandotoana plastika".
Nisy moa ny adihevitra an-databatra boribory izay nandraisan’ny tompon’andraikitra isan-tsokajiny anjara nametrahana paikady iombonana entina manatratra izany fanamby izany. Tsy adino ihany koa ny diabe izay nanentanana ny rehetra hitandrina ny amin'ny fampiasana plastika. Hisy ny fametrahana ivon-toerana fanodinana fako, izay efa an-dalam-pametrahana ankehitriny ao Sainte-Marie.

Lire la suite

Articles Similaires