• Cours de change
  • 5078.06 AR
  • |
  • $4431.23 AR
Copyright Image : © Mpsm
Image
Vaovao

Herisetra atao amin'ny ankizy : Tsy tokony ho vitan'ny raharaham-pihavanana

19/06/2025 20:05 © Moov

Mampiavaka antsika Malagasy tokoa ny fitandrovana ny fihavanana. Tsy tokony atao antony hanekena ny herisetra nefa izany, indrindra ny herisetra atao amin'ny zaza sy ny ankizy.

Amin'izao volan'ny ankizy izao, entanina manokana ny amin'ny hiarovana azy ireo amin'ny herisetra.

Herisetra ara-batana ataon'ny olona akaiky

Matetika dia ny olona akaiky ihany no mampihatra herisetra ara-batana amin'ny zaza sy ny ankizy : ny raikely, ny dadatoa, ny zanak'olona mpiray tampo na ny mpiara-monina. Misy mihitsy aza moa ireo ray niteraka mahavita manolana ny zanany. Mampalahelo nefa fa mbola vitsy ireo ray aman-dreny sahy mitoroka ny nahavanon-doza, noho ny fitandrovana ny fihavanana. Atao raharaham-pihavanana izany ny famahana ny olana misy.
Manoloana izany nefa, matetika dia lasa ambanin-javatra ny fandraisana an-tanana ilay ankizy niharan'ny herisetra ara-nofo. Mila zahana sy tsaboina manam-pahaizana manokana nefa ilay voaolana na niharan'ny vono, eny hatramin'ny fandidiana mihitsy aza raha ilaina. Tsy adino ny fanaraha-maso ara-pahasalamana mandritra ny fotoana maharitra. Tokony hisitraka tohana ara-tsaina ihany koa ireo ankizy niharan'ny herisetra.

Fitorohana

Mba hahatomombana ny fandraisana an-tanana ireo ankizy niharan'ny herisetra, manentana ny rehetra ny Ministeran'ny mponina mba ho sahy hitoroka. Efa misy ny laharana maitso 147 ho an'ireo mahita tranga mampiahiahy eo anivon'ny fianakaviana na ny fiarahamonina. Entanina izany fifanomezan-tanana izany satria iaraha-malalala mantsy fa misy tokoa ireo olona akaiky sahy mijery fotsiny ny herisetra atao amin'ny zaza sy ny ankizy noho ny antony samihafa.
Nisongadina nandritry ny lanona fankalazana ny "Iray volan'ny Ankizy" teny Ambohidratrimo ny fanentanana sy fampahafantarana ny zo fototry ny ankizy. Nohamafisina ny andraikitry ny ray aman-dreny eo amin'ny fanatanterahana sy fiarovana izany zo izany.

Lire la suite

Articles Similaires