• Cours de change
  • 5159.2 AR
  • |
  • $4417.58 AR
Copyright Image : © Haingo Nambinina
Image
Vaovao

Fahapoizinana ara-tsakafo tany Ambositra : Tafakatra 12 ny isan'ny maty

25/06/2025 07:40 © Moov

Nitombo avo roa heny ny isan'ny olona maty tato anatin'ny 2 andro : mbola 6 ireo namoy ny ainy omaly 24 jona, saingy efa niakatra 12 indray izany androany 25 jona.

Manjombona ny eto Madagasikara amin'izao andro fety izao. Tsy ny teto Antananarivo ihany mantsy no namoy aina maro tato anatin'ny herinandro vitsivitsy, fa nisy maty ihany koa tany Mahajanga sy Ambositra. Olona 40 be izao no namoy ny ainy tato anatin'ny 10 andro : 25 teto Antananarivo, 12 tany Ambositra ary 3 tany Mahajanga. Efa misy fanadihadihana lalina tanterahin'ireo tompon'andraikitra ara-pahasalamana sy ireo mpitandro ny filaminana avokoa amin'ireo raharaha ireo.

Fahapoizinana ara-tsakafo

Samy noho ny fihinanana "Charcuterie" no nahatonga ny voina, na ho an'ny tany Mahajanga na ny tany Ambositra. Anisan'ireo vokatra manintona ny maro tokoa izy ireny, indrindra rehefa misy fetim-pianakaviana. Mila tandrovana fatratra nefa ny fitehirizana ireny karazan-kena voahodina ireny, satria tena mitera-doza raha misy fahasimbana.
Mbola am-polony ireo manaraka fitsaboana noho ilay fahapoizinana ara-tsakafo tany Ambositra. Ny ampahany amin'ireo marary no efa tonga ao Antsirabe mba hanohizana ny fitsaboana azy ireo. Nanao antso avo ho an'ireo rehetra nanotrona ilay fetim-pianakaviana tamin'ny alahady lasa teo ireo tompon'andraikitra ara-pahasalamana, mba hanantona ny CHRR Ambositra na dia salama tsara aza. Izany no atao dia mba hisorohana izay mety ho firongatry ny aretina tampoka, noho ilay sakafo nahafaty olona maro.

Fisorohana ny fahapoizinana ara-tsakafo

Nifantoka tamin'ny fanentanana mikasika ny fisorohana ny fahapoizinana ara-tsakafo ny hafatry ny Minisitry ny Fahasalamana, Pr Zely Andriamanantany. Amin'izao vanim-potoan'ny fety izao mantsy dia mitobaka ny karazan'entana eny an-tsena, sady miakatra ny fanjifana. Entanina nefa ny tsirairay samy ho mailo. Singanina manokana ireo vokatra mila fampangahatsiahana, satria saropady izany sakafo izany raha tapaka ny "chaîne du froid". Tsy tokony hanina intsony ny Charcuterie somary miova loko na masiso, ny yaourt mibontsina ny fonony sy ny sakafo amin'ny boaty izay misy fahasimbana ny fonony. Tsy tokony hanina mihitsy ny "mayonnaise" vita amin'ny atodim-borona, ka ireo mpivarotra sy mpikarakara sakafo mihitsy no tena entanina amin'izany.
Mbola fanamby goavana ny fanentanana mikasika ny fampiasana menaka eto Madagasikara. Ny ankamaroan'ny mpivarotra mantsy dia mbola mampiasa menaka mialon'andro : iverenana anendasana imbetsaka ny menaka mandra-paharitrany, na dia efa miova loko aza. Mba ho fisorohana ny aretina, tsara raha samy mikarakara ny sakafo haniny ny fianakaviana tsirairay, na ny tsakitsaky aza.

Lire la suite

Articles Similaires