• Cours de change
  • 5159.2 AR
  • |
  • $4417.58 AR
Copyright Image : © Yas
Image
Vaovao

Fampivoarana ny nomerika : Nanolotra solosaina miisa 25 ny YAS Madagascar

28/06/2025 07:29 © Moov

Manohana hatrany ny fampivoarana ny tontolon'ny nomerika eto Madagascar ny Orinasam-pifandraisandavitra Yas. Nisy àry ny fanolorana fitaovana teny amin'ny Maison du numérique Antananarivo.

Notontosaina omaly 27 jona ny fitokanana ny efitra vaovao natokana ho an’ny Yas Madagascar, eo anivon’ny Maison du numérique Antananarivo. Tsy ny efitrano ihany no vaovao, fa misy ny fampitaovana raitra rehetra ao anatiny. Araka izany, nisy ny fametrahana solosaina miisa 25 be izao, mba ho ampiasain'ireo mpiofana amin'ny tontolon'ny nomerika.

Vinan'ny fampiroboroboana ny nomerika

Dingana lehibe iray amin’ny fanatanterahana ny vina « inclusion numérique pour tous » izao fanolorana fitaovana izao. Ireo ankizy sy vehivavy Malagasy miaina ao anaty fahasahiranana, liana amin'ny nomerika, no tena hahazo tombony. Misy mantsy ny fampiofanana maimaimpoana atolotry ny Yas ho azy ireo. Ny e-Jery dia voatokana ho an’ny ankizy mpianatry ny EPP, ary ny tetikasa vaovao « AMPELA ONLINE » kosa dia natokana ho an’ny vehivavy Malagasy.
Anisan'ireo mpiara-miombon’antoka am’ity tetikasa vaovao ity i STEM For Good satria anisan’ireo manome lanja sy manohana ny vehivavy sy ny teknolojia eo anivon’ny fiaraha-monina Malagasy izy ireo.
Hatramin'ny fiafaran'ity taona 2025 ity, vehivavy miisa 100 no hisitraka fampiofanana maimaimpoana.

Lire la suite

Articles Similaires