• Cours de change
  • 5161.93 AR
  • |
  • $4406.45 AR
Copyright Image : © Dv
Image
Vaovao

Fintim-baovao : Ireo vaovao nisongadina ny 30 jona hatramin'ny 6 jolay 2025

07/07/2025 00:02 © Moov

Atolotra anao indray ireo vaovao nanamarika ny herinandro lasa teo, dia ny alatsinainy 30 jona hatramin'ny alahady 6 jolay

Fanadinam-pajakana BEPC 2025 # Efa mivoaka amin'ny ampahany ny voka-panadinana

Tontosa ny alatsinainy 30 jona hatramin'ny alakamisy 3 jolay ny fanadinam-panjakana BEPC 2025. Taranja 7 no nanadinana ireo mpianatra. Amin'ny ankapobeny, olana madinidinika ihany no nisy, toy ny fanadinoana na fahaverezana Convocation na Carte d'identité Scolaire. Samy niezaka nandamina izay mety ho sakana rehetra ireo tompon'andraikitra. Ho an'ny eto Antananarivo, eny amin'ny Lycée Moderne Ampefiloha (LMA) no hanatanterahana ny fitsarana ny taratasim-panadinana.
Ny marainan'ny sabotsy 5 jolay no nivoaka ny voka-panadinana voalohany, ka CISCO 3 no nanana valim-panadinana : Ambatomainty, Iakora ary Andramasina. Ny tolakandron'ny sabotsy io ihany no nivoaka ny vokatra ho an'ny CISCO Kandreho. Raha ny taham-pahafana indray, latsaka noho ny CEPE 2025 ny isan'ireo afa-panadinana. Ny tao Andramasina izao dia 55,90% raha 64,13% ny tao Ambatomainty ary 68,02% ny tao Iakora. Omaly alahady 6 jolay, ireto avy no namoaka ny valim-panadinana : Ambatolampy, Antanifotsy, Ambohidratrimo, Manjakadriana, Antsalova, Beroroha, Sainte-Marie, Morafenobe, Benenitra, Besalampy, Antsiranana I, Befotaka Sud ary Midongy Sud.

Fanapoizinana ara-tsakafo teny Ambohimalaza # Tafakatra 27 no isan'ny maty

Nisy tovolahy 19 taona namoy ny ainy ny alakamisy 3 jolay lasa teo, noho ny fanapoizinana ara-tsakafo tamin'ilay "anniversaire" teny Ambohimalaza ny faha-14 jona. 3 herinandro izany no nitsaboana ilay tovolahy, saingy tsy avotra ny ainy. Nambaran'ireo fianakaviany fa tsy nahatsiaro tena mihitsy izy, ary efa nia-namofona ny fofon'ainy 2 na 3 andro talohan'ny nahafatesany. Tafakatra 27 ny isan'ireo maty, ary 14 ireo mbola manaraka fitsaboana. Hatreto, voalaza fa mbola anisan'ireo tsaboina eny amin'ny HJRA i Fenohasina, ilay tompom-panasana, na dia efa mahatsiaro tena aza.
Tsy mbola misy tohiny kosa nefa ny mikasika ny valim-pitiliana nalefa any ivelany, sy ny raharaham-pitsarana mikasika izao tranga izao. Mbola tazomina am-ponja ny olona 3 nahiahina ho atidoha nikotrika ny fanapoizinana tamin'ny alalan'ny "Donut".

Fahapoizinana ara-tsakafo tao Toamasina # Olona 7 niditra hopitaly

Ny 4 jolay lasa teo, nampahafantatra ny CHU Analakininina Toamasina fa misy trangana Toxi-Infection Alimentaire Collective (TIAC). Araka izany, olona 7 avy amin'ny fianakaviana iray mipetraka eny amin'ny Cité Harras Ankirihiry no niditra hopitaly. Olondehibe 6 sy ankizy iray no namonjy ny Sampana Vonjy Taitra noho ny fivalanana sy ny fandoavana. Rehefa nohadihadihana izy ireo dia nilaza fa "Composé" sy "Ovy nendasina" no nohanin'izy ireo. Efa natomboka tamin'iny herinandro lasa iny ihany moa ny fanadihadihana mikasika izany tranga izany.
Manamafy ny fitandreman'ny tsirairay ireo tompon'andraikitra isan-tsokajiny ao amin'ny faritra Atsinanana, satria vao tamin'ny tapaky ny volana jona dia nisy TIAC ihany koa. Io tranga io moa dia nahakasika olona 6, noho ny fihinanana "Godrogodro au chocolat". Etsy ankilany, mihamafy ny fanaraha-maso ireo entana rehetra amidy eny an-tsena sy ny fahadiovan'ireo mpivarotra sakafo.

Fitsidihana ofisialy ny faritra Matsiatra Ambony # Fotodrafitrasa maro no notokanana

Nahazo tombony manokana ny faritra Matsiatra Ambony tamin'iny herinandro lasa iny. Ny alarobia 2 jolay no nanatanterahana ny Filankevitry ny Minisitra tao Fianarantsoa, izay narahin'ny fanokanana fotodrafitrasa maro sy fihaonana tamin'ireo mponina ao Matsiatra Ambony. Nahazo toeram-ponenana mahazaka hatramin'ny mpianatra 320 ny Oniversiten'Andrainjato Fianarantsoa. Ankoatra izay, tsy diso anjara eo amin’ny sehatry ny fahasalamana ny faritra Matsiatra Ambony amin’ny alalan’ireo hopitaly miisa roa natolotra ny vahoakan'Alakamisy Itenina, distrikan'i Vohibato sy tao Ambohimahasoa.
Nisy ihany koa moa ny fanomezana tohana ara-tsosialy, ka tokantrano 17 000 no nisitraka "Vatsy Tsinjo". Nahazo tombony manokana ihany koa ireo fikambanam-behivavy miisa 17 tao Fianarantsoa izay nahazo fanohanana avy amin'ny Fitondram-panjakana hampiroboroboana ny seha-piharian'izy ireo.

Fiarovana ny mpanjifa ao Antsirabe # Nopotehina ireo menaka Roots

Nahitana menaka marika ROOTS nampiahiahy nandritra ny fisavana natao tao amin’ny tranombarotra iray tao Antsirabe, ny 23 jona lasa teo.
Nandray fepetra avy hatrany ny DRIC ka nalefa natao “contre-analyse” tany amin’ny Agence de Contrôle de la Sécurité Sanitaire et de la Qualité des Denrées Alimentaires (ACSSQDA) ny santionan'izany menaka izany. Taorian’ny famakafakana siantifika, dia voamarina mazava fa tsy azon’olombelona hanina ilay menaka amin’ny andiany (lot de production) mitovy amin’izany.
Ny tolakandron’ny 03 Jolay 2025 no nanatanterahana ny famotehana sy fandoroana ireo menaka rehetra ireo. Natao koa ny fanadiovana sy fanesorana teny an-tsena ireo tavoahangy menaka iray tarika sy marika, izay hita nandritra ny fanaraha-maso.
56 baoritra, na 672 tavoahangy, izay samy manondro faharetana 24 volana aorian’ny daty famokarana ireo menaka ireo. Na izany aza anefa dia tsy mazava ny daty famokarana satria amin’ny soratra arabo mipetraka eo amin’ny tavoahangy, ka tsy nahafahana nanamarina ara-dalàna ny maha-ara-potoana azy. Etsy ankilany dia mandeha ny fanadihadiana mahakasika ny lalan'ireo entana ireo ahafahana mandray fepetra mifanaraka amin'izany.

Halatr'omby tao Antsirabe II # Dahalo miisa roa no maty voatifitra

Nisy halatr'omby nitranga tao Amparihy Ambano, Antsirabe II, ny atoandron'ny 4 jolay lasa teo. Nandray andraikitra moa ny mpitandro ny filaminana ao Andranomanelatra sy ireo fokonolona. Ny andron'io ihany, sasakalina, nifanehatra tamin'ireo zandary sy mpanaradia ireo dahalo nitondra omby halatra, teny amin'ny kizo teny Miarinarivo Betafo. Na dia notabaina mba hijanona sy hametraka fitaovampiadiana haingana aza izy ireo dia ny nitifitra ireo fokonolona sy ny zandary no nataony ka voatery namaly tifitra koa ny zandary. Dahalo miisa roa no lavo teo an-tany fiadiana, raha nandositra ny sasany. Basy vita gasy roa no hita teo akaikiny ary sakaosy misy vatsy sy vola taratasy madinika. Tafaverina tamin'ny tompony ireo omby roa nangalarin'ireo dahalo.
Mitohy ny ady amin'ny asan-dahalo sy fampandriana fahalemana ny faritra Vakinankaratra sy ny manodidina.

Mifarana ny USAID # 40 taona niasana teto Madagasikara

Nomarihana ny talata 1 jolay lasa teo ny fankalazana ny faha-249 taona nahazoan'i Etazonia fahaleovantena, sy ny faha-150 taonan'ny fiaraha-miasan'i Etazonia sy Madagasikara. Tamin'izany lanonana izany indrindra no nanambaran'ny Masoivohon'i Etazonia miasa sy monina eto Madagasikara fa mifarana ny asan'ny USAID. Ny sehatry ny Fahasalamana sy ny Ady amin'ny Tsifanjariantsakafo moa no tena nandraisan'ny USAID fanampiana.
Tsy tapitra hatreo nefa ny famatsiambola atolotr'i Etazonia ho an'i Madagasikara. Misy ny vola mitentina 30 tapitrisa Dolara ho an’ny asa mifototra amin’ny maha-olona (aide humanitaire) sy olona 13 tapitrisa Dolara ho an’ny Fahasalamana. Ny Masoivoho Amerikana moa no hitantana izany vola izany, ho tohin'ny fiaraha-miasa eo amin'ny firenena roa tonta.

Tsenaben'ny hazandrano # Fahombiazana ny hetsika andiany faha-5

Fahombiazana amin'ny ankapobeny ny hetsika Tsenaben'ny hazandrano andiany faha-05 izay notanterahina tetsy amin'ny Lapan'ny Fanatanjahantena Mahamasina nandritra nandritra ny 04 andro, izay nifarana ny 5 jolay lasa teo.
Tranoeva miisa 70 no nampirantiana ireo vokatra teny an-toerana, sady nisy rahateo ny fampiofanana fiompiana trondro mamaimpoana.Maro ireo mpandray anjara no nahazo fifanaraham-piaraha miasa sy nahazo mpanjifa vaovao.
Nambaran'Atoa Razafimandimby Jean Chrysostophe, Tale Jeneralin'ny Jono sy ny Fampamokarana anaty rano, eo anivon'ny Ministeran'ny Jono sy ny Toekarena Manga izay namarana izany hetsika izany tamin'ny fomba ofisialy fa tanjona amin' izao ny hampiakarana ny tahan'ny fihinanana trondro eto Madagasikara sy hanomezan-danja ireo vokatra avy amin'ny hazan-drano. Nohamafisiny ihany koa fa misokatra ho an'ny rehetra Ministera ary vonona hatrany ny hanome tosika ara-teknika ho an'ireo mila izany.

Lire la suite

Articles Similaires