BAC Catholique 2025 : Fanadinan'ny kilasy famaranana Sekoly Katolika, 7 hatramin'ny 11 jolay
Manomboka amin'ity androany ity, alatsinainy 7 jolay, ary tsy hifarana raha tsy amin'ny zoma 11 jolay ny Bac Catholique 2025.
2 herinandro tsy hahatongavan'ny Fanadinam-panjakana BAC 2025 ny Bac Katolika, tahaka ny mahazatra isan-taona. "Obligatoire", izany hoe tsy maintsy atao, io fanadinana io ho an'ireo mpianatra kilasy famaranana rehetra amin'ny Sekoly Katolika manerana ny Nosy. Mbola ao anatin'ny fanadinana hatrany ny taranja roa mampiavaka ny sekoly manaraka ny rafi-pampianarana katolika, dia ny "Religion" sy ny "Education à la vie et à l'amour" (EVA). Sady iantohana ny fidirana eny anivon'ny Oniversite Katolika izao fanadinana izao, no fanomanana tsara ny fanadinam-panjakana. Mbola manana andro maromaro ireo mpiadina hanaovana famerenana raha misy lesona tsy mbola hay tsara. Karazana "Examen Blanc" izany izy io, izay tena manampy ny mpianatra tokoa : amin'ny ankapobeny dia afaka Bac ofisialy hatrany rehefa afaka Bac Katolika.
Toy izao ny fandaharam-potoana amin'ny Bac Catholique 2025, ho an'ireo mpiadina amin'ny fampianarana ankapobeny :
-Alatsinainy 7 jona : Philosophie # Religion
-Talata 8 jona : Mathématiques # Malagasy
-Alarobia 9 jona : Physique-Chimie # Histoire
-Alakamisy 10 jona : Français # SVT
-Zoma 11 jona : EVA # Langue vivante
Koa satria efa niditra tamin'ny fotoam-pialan-tsasatra avokoa ireo kilasy ambany, mangingina tokoa ny eny anivon'ireo Sekoly rehetra. Misitraka fahanginana tanteraka izany ireo mpanala fanadinana.
Bac 2025 Madagasikara
Manomboka ny alatsinainy 21 jona ny Bac 2025. Maromaro ireo Sekoly mbola mampanao "Révision générale" mba tsy ho varimbariana intsony ireo mpiadina. Amporisihina amin'izany ny lesona rehetra, fa tsy hitoky amin'ny karazana vinavina etsy sy eroa. Misy amin'ireo sekoly kosa nefa no nampitsahatra ny fampianarana noho ny fialantsasatra. Ireo mpianatra araka izany no mandamina ny fotoany manao izay ho afany amin'ny famerenana. Ny ankamaroan'ireo mpanala Bac efa tsy miverina any an-tsekoly intsony dia mamonjy "Faradoboka". Mpampianatra matihanina no mampanao famerenana farany, mba ho fampiomanana tsara ireo mpiadina amin'ny fanadinana hatrehany.
Na dia vetivety aza dia nivaly ny CEPE sy BEPC tamin'ity taona ity, mila faharetana tokoa ny fiandrasana ny valim-panadinana Bakalorea. Ireo Oniversite isaky ny renivohi-paritany no mikarakara izany, ka tsy maintsy misy ny "délibération" iarahan'ireo tompon'andraikitra sy mpitsara vao misy vokatra azo avoaka. Mirary soa sy fahombiazana ho an'ireo mpanala fanadinana rehetra !